Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 26:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary nanontany azy ny amin’ny vadiny ny lehilahy tompon-tany ka hoy izy: Anabaviko izy. Fa natahotra izy hilaza hoe Vadiko izy, fandrao hamono azy ny lehilahy tompon-tany noho i Rebeka, satria tsara tarehy Ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin’izany toerana izany, fa novaliany hoe: «Anabaviko izy.» Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin’ny olona tamin’izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin’i Rebekà fa tsara tarehy loatra ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nanontanian’ny olona tompon-tany ny amin’ny vadiny izy, ka namaly hoe: «Anabaviko io.» Satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin’ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin’ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary nanontany azy ny amin’ny vadiny ny lehilahy tompon-tany ka hoy izy: Anabaviko izy. Fa natahotra izy hilaza hoe Vadiko izy, fandrao hamono azy ny lehilahy tompon-tany noho i Rebeka, satria tsara tarehy Ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 26:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary nony efa akaiky ho tonga tany Ejipta ry zareo, dia hoy i Abrama tamin’i Saray vadiny: –Etsy ange, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao.


Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!


Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa.


Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko.


Nolazain’i Abrahama fa anabaviny i Sarà vadiny; koa naniraka haka an’i Sarà i Abimelèka, mpanjakan’i Gerara.


Moa tsy Abrahama va no nilaza tamiko an’i Sarà hoe anabaviny? Ary moa tsy ravehivavy io va no nilaza tamiko an’i Abrahama hoe anadahiny? Koa tamin’ny fo tsotra sy tanana madio no nanaovako izany.


Tsara tarehy tokoa razazavavy sady virijiny fa tsy mbola nisy lehilahy niray taminy. Ary nidina teo am-pantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.


Nonina tao Gerara i Itsehàka.


Ary rehefa ela no nitoeran’i Itsehàka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimelèka indray andro ka nahita an’i Itsehàka nisangisangy an’i Rebekà vadiny.


I Leà dia malefa-pijery, fa i Rahely kosa tsara tarehy sady bikàna.


Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny TOMPO kosa no voaaro.


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana sy ny nanolorany tena hamonjy azy.


Aza mifandainga ianareo fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra