Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.
Genesisy 10:8 - DIEM PROTESTANTA I Kosy no rain’i Nimrôda izay lehilahy mahery voalohany teto an-tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Kosy dia niteraka an’i Nimroda; izy no tonga olo-mahery voalohany tetỳ ambonin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Kosy no rain’i Nimrôda izay lehilahy mahery voalohany teto an-tany. Baiboly Katolika I Kosy niteraka an’i Nemrôda, izay voalohan’olona manam-pahefana tamin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Kosy niteraka an’i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ny tany. Malagasy Bible Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany. La Bible en Malgache I Kosy dia niteraka an’i Nimroda; izy no tonga olo-mahery voalohany tetỳ ambonin’ny tany. |
Ary ny zanakalahin’i Kosy dia i Sebà sy i Havilà, i Sabtà sy i Rahemà ary i Sabtekà. Ny zanakalahin’i Rahemà dia i Saba sy i Dedàna.
I Nimrôda dia mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO, ka niavian’ny ohabolana hoe: «Sahala amin’i Nimrôda, mpihaza mahery teo imason’ny TOMPO.»
I Kosy koa no ray niteraka an’i Nimrôda izay nanjary lehilahy mahery mpanapaka voalohany teto ambonin’ny tany.
Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.
Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.