Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 5:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’NY TOMPO, tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy manantena na inona na inona avy amin’ny olona, na miandry zavatra avy amin’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Amin’izay ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe, dia ho tahaka ny ando avy amin’ny TOMPO sy ho tahaka ny ranonorana latsaka amin’ny ahitra; ka tsy olombelona fa Andriamanitra no antenainy sy iankinany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro, ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh, toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso; izy tsy miandry izay olona akory, na matoky ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny firenena maro dia ho tahaka ny ando avy amin’NY TOMPO, tahaka ny ranonorana eny amin’ny ahitra, izay tsy manantena na inona na inona avy amin’ny olona, na miandry zavatra avy amin’ny zanak’olombelona.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 5:6
26 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


I Kosy koa no ray niteraka an’i Nimrôda izay nanjary lehilahy mahery mpanapaka voalohany teto ambonin’ny tany.


Dia nasain’ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan’i Asiria; ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany masombỳ sady nogadrany rojo halimo ary nentiny nankany Babilôna.


Rehefa niteny aho dia tsy nisy namaly intsony, ary nanenika azy tsikelikely ny teniko.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Aoka izy ho tahaka ny erika mifafy amin’ny vilona, ho tahaka ny oram-baventy manondraka ny tany!


Ny vahoakan’ny firenen-kafa no handray adidy hampody azy any an-tanindrazany. Ary eo amin’ny tanin’ny TOMPO, dia ho fananan’ny taranak’i Israely ireo hafa firenena, ka hataony ankizilahy sy ankizivavy; ireo namabo azy no hobaboiny, ary ireo nampahory azy no hataony mpanompo.


Ao amin’ny taniko no hanamontsanako ny Asirianina, eny an-tendrombohitro no hanosihoseko azy. Hoesoriko ny zioga nampitondrainy ny vahoakako, hoesoriko eny an-tsorony ny entana namesarany azy.»


Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.


Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.


Koa niainga teo i Saneheriba mpanjakan’i Asiria mba handeha hiverina any Ninive ary nijanona tany.


Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza, dia mbola hodorana amin’ny afo ihany koa izany; saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny ôaka izay mamela fototra ihany na voakapa aza. Kanefa avy amin’izany fototra tavela izany no hisian’ny taranaka masina indray.


Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.


Tsy misy afa-tsy fandrobana sy fandravana ary fanimbana no hita! Kivy ny fon’ny rehetra; mangozohozo ny lohalika, mangovitra ny vatana ary mivaloarika ny tarehy.


Haninji-tanana koa ny TOMPO hamely ny faritra avaratra ka handringana an’i Asiria; Izy no hahalao ny tanànan’i Ninive ka hahatonga azy ho karankaina toy ny taniefitra.


Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO.


dia Mpamonjy hanafaka antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’ireo mpankahala rehetra.


dia ny hanala antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika, ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,


Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.


Ny anatro anie hitosaka toy ny orana, dia toy ny oram-batravatra amin’ny vilona; ny teniko anie hirotsaka toy ny ando, dia toy ny erikerika amin’ny ahi-maitso.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra