Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 5:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Amin’izay, ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe any amin’ny firenen-kafa, dia ho tahaka ny liona mihaza amin’ny biby anaty ala sy ho tahaka ny liona tanora mihaza amin’ny andian’ondry; rehefa mandalo ny liona, dia manosihosy sy mamiravira, ka tsy misy afaka mamonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa, any amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy: Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira nefa tsy misy manafaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Amin’izay, ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe any amin’ny firenen-kafa, dia ho tahaka ny liona mihaza amin’ny biby anaty ala sy ho tahaka ny liona tanora mihaza amin’ny andian’ondry; rehefa mandalo ny liona, dia manosihosy sy mamiravira, ka tsy misy afaka mamonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena, eo afovoan’ny vahoaka maro, dia ho toy ny liona eo amin’ny biby any an’ala, ho toy ny liona tanora eo amin’ny andian’ondry; ka raha mandalo sy manosihosy ary mamiravira izy, tsy misy mahavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary izay sisa amin’i Jakoba ao amin’ny jentilisa, Ao amin’ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an-ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ny ondry aman-osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary izay sisa amin’i Jakoba any amin’ny Jentilisa*, any amin’ny firenena maro, dia ho tahaka ny liona amin’ny biby any an’ala sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ny andian’ondry aman’osy: Raha mamakivaky ao izy dia manitsakitsaka sy mamiravira nefa tsy misy manafaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 5:7
40 Rohy Ifampitohizana  

Ho tonga any amin’izay itoeran’i Davida isika, ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; ary tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin’ny olona rehetra tafaraka aminy.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Toy ny ando avy any amin’ny tendrombohitra Hermôna ka mirotsaka eo amin’ny tendrombohitra Tsiôna; satria eo Tsiôna no fanomezan’ny TOMPO fitahiana, dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Aoka izy ho tahaka ny erika mifafy amin’ny vilona, ho tahaka ny oram-baventy manondraka ny tany!


Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia mampatahotra toy ny fieron’ny liona; fa ny fitsimbinany kosa dia mahasoa toy ny ando amin’ny ahitra.


Indray andro any, dia hatosaka ny Fanahy avy amin’ny Tompo ao ambony; ka hanjary saha mahavokatra ny taniefitra ary ny saha mahavokatra hanana ny lanjan’ny ala.


Fa hanosaka rano amin’izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin’ny tany mangentana. Hatosako amin’ny zanakao ny Fanahiko ary amin’ny taranakao ny fitahiako.


Ny ranonorana sy oram-panala milatsaka avy any an-danitra dia tsy miverina any raha tsy efa mahavonto ny tany sy mahalonaka azy ary mampahavokatra azy ka mampahazo masomboly hafafy sy hanin-kohanina;


Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.


Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.


dia misy ihany olona vitsivitsy lahy sy vavy sisa tavela. Navoaka hiala ny tanàna izy ary hanaraka anareo any am-pahababoana. Rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, dia hionona amin’ny loza rehetra izay navelako hianjady amin’i Jerosalema.


Ary nitondra ahy niverina ho eo am-pidirana amin’ny tempoly ralehilahy. Koa hitako fa nisy rano niboiboika avy tao ambanin’ny tokonana atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny tempoly. Io rano io dia nidina teo ambanin’ny lafiny ankavanan’ny tempoly ka nandalo teo atsimon’ny alitara.


«Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: «Izany no hanjo an’i Jerosalema izay tanàna napetrako eo anivon’ny hafa firenena sy voahodidin’ny tanin’ireo.


Ary izy mpanjaka mihitsy no handroboka ny olona hitsipaka ny fanekempihavanana amin’ny fandokadokafana. Nefa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny dia hiorina mafy amin’ny fanaony;


Izaho TOMPO dia hanasitrana an’ilay Israely amin’ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan’ny fahatezerako izy.


Amin’izay aoka hiaiky ny TOMPO isika; eny, aoka hiezaka hiaiky Azy isika! Azo antoka toy ny mazava atsinanana ny firotsahany hanao izany. Fa toy ny oram-baratra no hiaviany amintsika, dia toy ny oran-dohataona manamando tany.»


Ankahalao ny ratsy, tiavo ny tsara, ary ampitoero ao amin’ny fitsarana indray ny rariny; Angamba ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao hamindra fo amin’izay sisa amin’ny taranak’i Jôsefa.


Hoy ny Tompo hoe: «Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak’i Jakôba; hovorîko tokoa ianareo sisa velona amin’ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»


«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»


Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


Ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.»


Ary amin’izany andro izany dia hisy loharano hifantsitsitra mandavantaona avy ao Jerosalema; ka ny antsasany hivarina any amin’ny Ranomasina Maty ary ny antsasany any amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»


koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,


Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin’izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa.


Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe: –Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay.


Tamin’ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedônianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay!»


Fa hoy ny Tompo taminy: –Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely.


Fa i Isaià aza dia sahy milaza hoe: «Nanaiky ho hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, hoy Andriamanitra, ary niseho niharihary tamin’izay tsy nanontany Ahy.»


Koa raha ny fahadisoan’ny Jiosy aza tonga harena ara-panahy ho an’izao tontolo izao, ary ny fietreny tonga harena ara-panahy ho an’ny hafa firenena, vao mainka fa ny fiverenany tanteraka amin’ny famonjena!


Inona àry no holazaintsika? Izao: ny hafa firenena tsy nitady ho marina teo anatrehan’Andriamanitra no neken’Andriamanitra ho marina noho ny finoana;


izaho moa namboly, ary i Apôlao kosa nanondraka, fa Andriamanitra no nampitsimoka.


Ny anatro anie hitosaka toy ny orana, dia toy ny oram-batravatra amin’ny vilona; ny teniko anie hirotsaka toy ny ando, dia toy ny erikerika amin’ny ahi-maitso.


Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra: –Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra