Estera 9:30 - DIEM PROTESTANTA Io taratasy faharoa io dia nalefa ho an’ny Jiosy rehetra any amin’ny faritany 127 manerana ny fanjakan’i Kserksesa. Firariana hiadana sy handry fahalemana no raketiny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izy, dia ho any amin’ny fari-piadidiana fito amby roapolo amby zato amin’ny fanjakan’i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Io taratasy faharoa io dia nalefa ho an’ny Jiosy rehetra any amin’ny faritany 127 manerana ny fanjakan’i Kserksesa. Firariana hiadana sy handry fahalemana no raketiny; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izy, dia ho any amin’ny toko fito amby roa-polo amby zato amin’ny fanjakan’i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana, Malagasy Bible Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana, La Bible en Malgache Ary nampitondra taratasy ho any amin’ny Jiosy rehetra izy, dia ho any amin’ny fari-piadidiana fito amby roapolo amby zato amin’ny fanjakan’i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana |
Ity tantara ity dia nitranga tamin’ny andron’ny amperôra Kserksesa, izay nanjaka tamina faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia.
Tamin’io andro io, andro faha-23 tamin’ny volana fahatelo na volana Sivàna, dia nantsoina ny mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay rehetra nandidian’i Môrdôkay no nanoratany taratasy ho an’ny Jiosy sy ny solotenan’ny amperôra mbamin’ny governora sy mpitondra any amin’ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia. Taratasy araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny firenena isan-tokony na araka ny fomba fiteny sy fanoratry ny Jiosy no nataony.
Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany.
Ary hoy i Hezekià tamin’i Isaià: «Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao.» Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin’ny androko.»
–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin’ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an’ny vahoakan’i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.