Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 39:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ary hoy i Hezekià tamin’i Isaià: «Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao.» Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin’ny androko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hoy i Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’NY TOMPO izay nolazainao. Hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ny androko ka handry fahalemana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ary hoy i Hezekià tamin’i Isaià: «Tsara ny tenin’ny TOMPO izay nambaranao.» Fa hoy izy manko anakampo hoe: «Hisy fiadanana sy fandriampahalemana izany amin’ny androko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ka hoy i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh nambaranao»; ary nanampy teny izy nanao hoe: «Fa hisy fiadanana sy fandriana feizay, amin’ny androko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia hoy Hezekia tamin’Isaia: Tsara ny tenin’i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin’ny androko ka handry fahizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 39:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Raha lazainy kosa fa tsy sitrany intsony aho, dia aoka Izy hanao izay tiany hatao amiko!


Kanefa, na dia efa niavonavona am-po aza ity mpanjaka, dia niaiky heloka izy mbamin’ny mponin’i Jerosalema; ka tsy niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireo, fony fahavelon’i Hezekià.


Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy mba hahita maso ny loza rehetra hamelezako ity tanàna ity sy ny mponiny.» Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.


Afaho amin’izay rehetra mpamadika ahy aho, aza avela ho fanakòran’ireo adala.


Tsy ritra ny mari-pitiavan’ny TOMPO ary tsy mitsahatra ny famindrampony;


Koa inona àry no imenomenonan’ny olona izay mbola velona sy tomady, na dia eo aza ny fahotany?


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


Izao no tsy maintsy hataonareo: samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo; aoka ho didim-pitsarana ara-drariny no havoaka eo amin’ny toeram-pitsaranareo mba hahatonga fiadanana eo aminareo.


–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin’ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an’ny vahoakan’i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.


Koa manetre tena eo ambany tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro voatendriny.


Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra