Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 39:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ary na dia ny sasany amin’ireo taranakao aza dia hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary na dia ny naterakao aza dia hisy hoentiny koa ka ho ionoka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babilona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary na dia ny sasany amin’ireo taranakao aza dia hoentina any koa ho mpanompo hanao raharaha ao an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary amin’ireo zanakao, avy amin’ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 39:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany fotoana izany dia tonga nanao fahirano an’i Jerosalema ny tafika babilônianina izay notarihin’ireo manamboninahitr’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.


ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.


Nataony sesitany avy ao Jerosalema ho any Babilôna koa i Jôiakina mpanjaka mbamin’ny reniny sy ireo vadiny ary ny tandapa mbamin’ireo filohan’i Joda.


Dia nasain’ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan’i Asiria; ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany masombỳ sady nogadrany rojo halimo ary nentiny nankany Babilôna.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentin’i Nebokadnetsara ho babo tany Babilôna, ka tonga nanompo azy sy ny zanany ireny mandra-piavin’ny fanjakàn’i Persia.


Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekià sady norohizany rojovy mba hoentina any Babilôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra