Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Eksodosy 8:6 - DIEM PROTESTANTA Dia novalian’ny Farao hoe: –Rahampitso. Hoy kosa i Mosesy hoe: –Aoka àry dia ho araka ny teninao mba hahafantaranao fa tsy misy azo ampitahaina amin’ny TOMPO Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Farao: Rahampitso. Ary hoy kosa i Mosesy: Aoka ary ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka NY TOMPO Andriamanitray. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’ny Farao hoe: –Rahampitso. Hoy kosa i Mosesy hoe: –Aoka àry dia ho araka ny teninao mba hahafantaranao fa tsy misy azo ampitahaina amin’ny TOMPO Andriamanitray. Baiboly Katolika «Ho amin’ny ampitso.» Dia hoy i Môizy: «Aoka, fa ho tanteraka izany, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’i Iaveh, Andriamanitray. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka ary dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’i Jehovah Andriamanitray. Malagasy Bible Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an'i Jehovah Andriamanitray. La Bible en Malgache Dia hoy i Farao: Rahampitso. Ary hoy kosa i Mosesy: Aoka ary ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka NY TOMPO Andriamanitray. |
Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
ka nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any an-danitra na etỳ an-tany. Tandrovinao hatrany ny fanekempihavananao sy ny fitiavanao amin’ireo mpanomponao izay mizotra eo anatrehanao amin’ny fony manontolo.
Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.
Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.
TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?
Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Lazao i Aharôna handray ny tehinao ka haninjitra ny tanany manandrify ny rano rehetra eto Ejipta, izany hoe ny renirano sy ny lakan-drano mbamin’ny farihy rehetra; dia hiova ho ra ny rano amin’ireny. Ary hisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo, hatrany an-tsinibe hazo sy vato.
Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.
Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.
Izay biby rehetra ao anaty rano, kanefa tsy misy vombony na kirany, dia ho fady aminareo.
Na ny fahavalony aza no mitsara, dia miaiky fa tsy mitovy amin’ilay Vatolampy ianteheran’i Israely ny vatolampy izay mba ianteherany.
Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.
Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.
Ary nisy fanahy maloto anankitelo, tahaka ny sahona, hitako nivoaka avy tany am-bavan’ny dràgona sy avy tany am-bavan’ilay biby ary avy tany am-bavan’ilay mpaminany sandoka.