Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 10:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 ary mba hotantaraina ho ren’ny zanakao sy ny zafinao ny nanaovako ny Ejiptiana sy ny amin’ireo famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ary mba hahazoanao mitantara amin’ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin’ny taniny. Ho fantatrareo amin’izay fa Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 mba hotantarainao amin’ny zanakao aman-jafinao ny zava-dehibe nataoko tany Ejipta, sy ny famantarana vitako teo amin’izy ireo, ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 ary mba holazainao ho ren’ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 ary mba hotantaraina ho ren’ny zanakao sy ny zafinao ny nanaovako ny Ejiptiana sy ny amin’ireo famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 10:2
22 Rohy Ifampitohizana  

Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.


Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.


Ny olo-marina hifaly hahita ny famaliana ny mpanota sy hanasa tongotra amin’ny ran’ireo olon-dratsy.


Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny, nefa aza afoy, Andriamanitra ô; enga anie aho ho afaka hanambara ny asanao mahery vaika sy mahomby amin’ireo tanora sy ny taranaka manaraka!


Izay efa renay sy fantatray satria notantarain’ireo razantsika taminay,


Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.


Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.


Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.


Noho izany, dia lazain’ny TOMPO fa hahafantatra ny maha IZY AZY ianao amin’ity indray mandeha ity. Hokapohiko amin’ity tehina eto an-tanako ity manko ny ranon’i Neily, dia hiova ho ra.


Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.


Dia novalian’ny Farao hoe: –Rahampitso. Hoy kosa i Mosesy hoe: –Aoka àry dia ho araka ny teninao mba hahafantaranao fa tsy misy azo ampitahaina amin’ny TOMPO Andriamanitray.


Ny velona ihany no afaka hidera Anao, dia tahaka ahy izao anio izao sy tahaka ireo ray aman-dreny izay hampahalala ny zanany fa tena mahatoky tokoa Ianao.


Navelako handoto tena tamin’ny fanolorana ny voalohan-terany rehetra hovonoina ho faty izy mba hampivarahontsana azy ka hiekeny fa Izaho no TOMPO.»


Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.


Tantarao amin’ny zanakareo izao, dia hotantarainy amin’ireo zanany; ary ireto kosa hitantara izany amin’ny taranaka mandimby azy.


Ary ianareo, ray aman-dreny, aza manao izay hampahatezitra ny zanakareo. Fa tezao amin’ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.


Kanefa kosa mitandrema ianareo ka miambena tena fandrao hanadino ny zavatra efa hitanareo maso na hamela izany hiala tao am-ponareo, amin’ny andro rehetra hiainanareo; fa ampahafantaro ny zanakareo aman-jafinareo izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra