Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Hoy i Môizy taminy: «Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tanako amin’i Iaveh, ka ny kotrok’orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Iaveh ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ny tanàna aho, dia hamelatra ny tànako amin’i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’i Jehovah ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin'ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin'i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an'i Jehovah ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Nefa hoy i Mosesy taminy: Raha vao mivoaka ny tanàna aho ka mamelatra ny tanako amin’NY TOMPO dia hitsahatra ny kotrokorana ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’NY TOMPO ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:29
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitsangana teo anoloan’ny alitaran’ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salômôna, ka nanandra-tanana nanandrify ny lanitra


Rehefa ny olona tsirairay na ny Israelita vahoakanao no samy mahatsapa ny fahoriam-pony, ka manandra-tanana mitodika amin’ity trano ity ary manao vavaka amam-pifonana isan-karazany,


Tamin’ny fotoana fanolorana ny sorona hariva indrindra vao nody ny aiko, ka tafarina aho; dia mbola amin’ireto lambako sy akanjoko triatra ireto aho no nandohalika sy nanandra-tanana ho amin’ny TOMPO Andriamanitro


Fa ianao kosa, tsy maintsy mitodika amin’Andriamanitra ka manatsotra ny tananao hivavaka aminy.


Izay sitraky ny TOMPO, ataony avokoa na any an-danitra na etỳ an-tany, na any an-dranomasina sy any an-drano lalimbe.


Mivavaka manandra-tanana aminao aho; ny fanahiko eo anatrehanao dia tahaka ny tany mangentana. Fiatoana


Raha mba noana Aho, tsy hilaza aminao; satria Ahy ny tontolo sy izay eo aminy.


Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin’ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,


Fa enina andro no nanaovako ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Aho tamin’ny andro fahafito. Izany no nahatonga Ahy TOMPO nitahy ny andro sabata sy nanokana azy ho Ahy.


Fa novalian’i Mosesy hoe: –Tsia, tsy afaka hanao izany izahay satria ny sorona haterinay amin’ny TOMPO Andriamanitray dia fady amin’ny Ejiptianina; koa raha mahita anay hanao sorona toy izany izy ireo, dia hitora-bato anay.


Dia novalian’ny Farao hoe: –Rahampitso. Hoy kosa i Mosesy hoe: –Aoka àry dia ho araka ny teninao mba hahafantaranao fa tsy misy azo ampitahaina amin’ny TOMPO Andriamanitray.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanàna. Nanandra-tanana tamin’ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


satria «an’ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina.


Kanefa raha ilazan’olona ianareo hoe: «Hena natao fanatitra tany amin’ny sampy io», dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana;


Indro fa an’ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra