Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ Amiko hamely ny tenanao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Fa amin’izao Aho vao handefa ny loza rehetra hampahory ny fonao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin'ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ Amiko hamely ny tenanao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:14
27 Rohy Ifampitohizana  

Lehibe Ianao amin’izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.


Rehefa ny olona tsirairay na ny Israelita vahoakanao no samy mahatsapa ny fahoriam-pony, ka manandra-tanana mitodika amin’ity trano ity ary manao vavaka amam-pifonana isan-karazany,


TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.


Tompo ô, tsy misy tahaka Anao amin’ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Nangonina ho an-tokotokony maro ireny, ka nanamaimbo ny tany.


Dia novalian’ny Farao hoe: –Rahampitso. Hoy kosa i Mosesy hoe: –Aoka àry dia ho araka ny teninao mba hahafantaranao fa tsy misy azo ampitahaina amin’ny TOMPO Andriamanitray.


Ankehitriny, raha naninji-tanana namely anao sy ny vahoakanao tamin’ny areti-mandringana Aho, dia efa levona teto ambonin’ny tany ianareo.


Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasa na dia tsy mahalala Ahy akory aza,


Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo: Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa. Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoa na inona na inona ampitahaina amiko.


Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO, fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao amin’ny asa mahery nataonao.


Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan’ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin’ireo firenena sy ao amin’ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.


Hataoko lao sady ho fandatsa ity tanàna ity; ka ny olona rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hanao fandatsana eo am-pahitana ny faharavana rehetra nanjo azy.


Noroahina hiala teo amin’ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an’ny biby, niara-nonina tamin’ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan’ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.


«Raha amin’izany no tsy henoinareo ihany Aho, dia mbola hofaiziko impito henin’izany ianareo noho ny fahotanareo.


«Raha mbola toherinareo ihany Aho ka tsy henoinareo, dia hokapohiko impito henin’izany koa ianareo araka ny fahotanareo.


dia hamely anareo amin’ny fahatezerako Aho; ka Izaho mihitsy no hitondra famaizana impito henin’izany noho ny fahotanareo.


Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.


«Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an-danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?


Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.


Noho izany, anatin’ny indray andro monja no hiantontan’ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan’ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.»


Izaho Jôhany dia manao fampitandremana amin’izay rehetra mandre ny teny faminaniana raketin’ity boky ity: raha misy manampy ireo, dia hampiharan’Andriamanitra ny loza voasoratra ato anatin’ity boky ity;


Eny, hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika tsy ho azon’io Andriamanitra mahery io, Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny loza maro samihafa tany an-taniefitra?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra