Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.
Eksodosy 39:6 - DIEM PROTESTANTA Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nasiany randram-bolamena manodidina kosa ny vato berila dia nosoratany taminy, araka ny fanoratana fitombo-kase, ny anaran’ny Zanak’Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase. Baiboly Katolika Namboarina ny vato berila nalatsaka tamin’ny randram-bolamena, ka nosokirina tamin’ireo toy ny fisikotra fanombohan-kase, ny anaran’ny zanak’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran’ny firenen’ny Zanak’Isiraely. Malagasy Bible Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely. La Bible en Malgache Nasiany randram-bolamena manodidina kosa ny vato berila dia nosoratany taminy, araka ny fanoratana fitombo-kase, ny anaran’ny Zanak’Israely. |
Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.
Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin’ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.
Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon’ny efôda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin’izay i Aharôna dia hitondra ny anaran’izy ireo eny an-tsorony ao amin’ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.
Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:
Notenomina ho iray amin’ny efôda sady natao tamin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Tao Hedèna, zaridainan’Andriamanitra, no niainanao, dia ilay Hedèna voahodidina tamboho rakotry ny vatosoa isan-karazany: robisy, tôpaza, diamondra, krizôlita, berila, jaspa, safira, robina, emeralda. Firavaka sy haingo volamena voaomana hatramin’ny andro nahariana anao no nentinao.