Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon’ny efôda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin’izay i Aharôna dia hitondra ny anaran’izy ireo eny an-tsorony ao amin’ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely. Ary i Arona dia hitondra ireo anarany ireo eo amin’ny sorony roa, eo anatrehan’NY TOMPO ho fahatsiarovana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon’ny efôda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin’izay i Aharôna dia hitondra ny anaran’izy ireo eny an-tsorony ao amin’ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’i Jehovah amin’ny sorony roa ho fahatsiarovana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely. Ary i Arona dia hitondra ireo anarany ireo eo amin’ny sorony roa, eo anatrehan’NY TOMPO ho fahatsiarovana.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:12
23 Rohy Ifampitohizana  

dia hiantsorohako tokoa izany ary hisatrohako toy ny satroboninahitra aza.


satria miankina aminao TOMPO ilay mpanjaka ampinganay, miankina aminao izy, ry ilay Masin’i Israely.


«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Io fankalazana io dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro fa tokony hambaranareo ny lalànan’ny TOMPO satria IZY no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.


Mpivaofy vato no hisokitra ny anarana amin’ireo vato roa ireo; hataony toy ny fisokitra tombokase izany ka hapetaka anaty bokom-bolamena anankiroa.


«Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.


Beritelo zairina amin’ny sisiny roa no hitondrana ny efôda.


Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»


Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina eny ambonin’ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: «Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Hasianao vovoka zava-manitra madio eo ambonin’ny isan’antonta; dia izany vovoka zava-manitra izany no hatao solon’ny mofo ka holevonina amin’ny afo mba ho fanati-pahatsiarovana ho AHY.


Dia napetrak’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tao amin’ny Tranolay fihaonana ny volamena rehetra nomen’ny manamboninahitra miaramila, mba hahatsiarovan’ny TOMPO ireo Israelita.


Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra, satria nahatsiaro ny teniny tamin’ny razantsika; dia ny hamindra fo mandrakizay amin’i Abrahama sy ny taranany.


Namindra fo tamin’ny razantsika Andriamanitra sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina


Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.


ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny ka nataony hoe: «Ny tenako ity, izay ho anareo. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.»


Ny amin’ny taranak’i Benjamîna, dia hoy i Mosesy hoe: «Foko malalan’ny TOMPO ianareo ka monina feizay eo akaikiny; miaro anao isan’andro vaky Izy sady monina eo anivon’ny havoanareo.»


dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra