Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 28:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary makà vato berila roa ka soraty eo aminy ny anaran’ny Zanak’Israely:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Avy eo dia halaina ny vato berila roa izay hanoratana an-tsokitra ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary makà vato berila roa, dia hosokirinao aminy ny anaran’ny zanakalahin’i Israely:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran’ny Zanak’Isiraely:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary makà vato berila roa ka soraty eo aminy ny anaran’ny Zanak’Israely:

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 28:9
16 Rohy Ifampitohizana  

ary tsara ny volamena tamin’io tany io; tao koa ny ditin-kazo mani-pofona sy ny vatosoa.


Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka.


Andefaso hazo sedera sy kipreso ary hazo sarobidy avy any Libano koa aho, satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libano ireo mpiasanao; ary indreto ny mpiasako fa hiaraka amin’ny mpiasanao


Tsy mifandanja aminy na ny volamena avy any Ôfira na ny berila sarobidy mbamin’ny safira aza.


vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.


ka ny anarana enina amin’ny vato voalohany, ary ny anarana enina amin’ny vato faharoa, arakara-jokiny.


ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy apetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay.


«Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.


Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.


ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.


ary ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy napetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay.


Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase.


Ataovy eo ambonin’ny fonao aho toy ny tombokasenao manokana; ary tazony eo an-tsandrinao aho toy ny vato voasokitra ho anao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mifaditrovana toy ny toeran’ny maty ny fitiavana mirehidrehitra. Lelafo miredareda tokoa izy ary mahery vaika toy ny varatra.


Indro efa vitako tombokavatsa eo am-pelatanako ny anaranao, ary eo imasoko hatrany ny mandanao.


Tao Hedèna, zaridainan’Andriamanitra, no niainanao, dia ilay Hedèna voahodidina tamboho rakotry ny vatosoa isan-karazany: robisy, tôpaza, diamondra, krizôlita, berila, jaspa, safira, robina, emeralda. Firavaka sy haingo volamena voaomana hatramin’ny andro nahariana anao no nentinao.


Amin’izany andro izany ny vahoakany dia hovonjen’ny Tompo Andriamaniny, ka toy ny mpiandry mamonjy ny ondriny Izy; ary ho toy ny vaton-tsatroboninahitra no hamirapiratany eo amin’ny taniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra