Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Napetaka teo ambony beritelon’ny efôda ireo vato ireo mba ho mariky ny fanatrehan’ny foko israelita 12, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Napetaka teo ambony beritelon’ny efôda ireo vato ireo mba ho mariky ny fanatrehan’ny foko israelita 12, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 dia natao teo ambonin’ny soroky ny efôda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely, dia araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary nataony teo amin’ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no valin-teny nasetriko azy: –Ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy no hanambina anay; ka dia hirotsaka hanorina ny tanàna indray izahay mpanompony. Ianareo kosa tsy manana anjara na zo na fahatsiarovana akory atỳ Jerosalema!


Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon’ny efôda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin’izay i Aharôna dia hitondra ny anaran’izy ireo eny an-tsorony ao amin’ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.


«Amin’izay, rehefa miditra ao amin’ny Toeramasina i Aharôna, dia hitondra eny an-tratrany ny saron-tratra fitsarana misy ny anaran’ny fokon’i Israely; ka Izaho TOMPO amin’izay dia tsy hanadino anareo na oviana na oviana.


Beritelo zairina amin’ny sisiny roa no hitondrana ny efôda.


Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.


dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra