Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Mpahay taozavatra no nanao ny saron-tratra tamin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady nasiany peta-kofehy volamena toy ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia nataony ny saron-tratra, izay asan’ny mpanenona mahay, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Mpahay taozavatra no nanao ny saron-tratra tamin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady nasiany peta-kofehy volamena toy ny efôda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia natao ny saron-tratra ka vita ara-pahaizana, toy ny nanenomana ny efôda ihany, tamin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony mihasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nanao ny saron-tratra tamin’ny asan’ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia nataony ny saron-tratra, izay asan’ny mpanenona mahay, tahaka ny nanaovana ny efoda*, dia tamin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary ny rongony fotsy madinika voahasina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako, sady ambony indrindra amin’ireo mpanjakan’ny tany.


vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.


«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.


Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.


Paosy efamira izy io, ka mirefy 25 santimetatra avy ny lafiny tsirairay


Eny, ny fahamarinana no nakanjoin’ny Tompo ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha. Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany ary ny fitiavana miredareda manentana Azy no toy ny lamba nisalorany.


Koa mamahara tsara hatrany ianareo: ny marina no ataovy toy ny etra fehikibonareo; ny rariny no tafio ho toy ny fiarovan-tratra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra