Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.
Eksodosy 38:9 - DIEM PROTESTANTA Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Tamin’ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny fonena-masina dia nohodidinina kianja izay nofefena temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Tamin’ny lafiny atsimo, dia nivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra; Baiboly Katolika Dia nanao ny kianja izy. Ny fefy lamba tamin’ny lafiny atsimo, ao ankavanana, dia zato hakiho ny halavany; rongony madio mihasina no nanaovana azy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanao ny kianja izy: tamin’ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ny kianja natao tamin’ny rongony fotsy madinika voahasina; Malagasy Bible Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina; La Bible en Malgache Dia nanao ny kianja izy: Tamin’ny lafiny atsimo dia nisy fefy lamba zato hakiho* natao tamin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona |
Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.
Ny vavahadin’ny tempoliny, idiro amin-tsaotra; ireo kianja ao anatiny, idiro amin-dera; isaory Izy, ary ankalazao ny anarany.
Andriamanitra ô, mba jereo ny mpanjaka izay toy ny ampinga miaro anay; tsinjovy ilay olona voahosotrao.
TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao any an-danitra; ary tsy misy mitovy aminao ireo andriamanitra.
«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
farango sy ànjaka volafotsy no nanantonana azy teo amin’ny andry halimo roapolo, izay nitsatoka tamin’ny faladia halimo roapolo.
Nasain’i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan’i Mosesy avokoa ny asa rehetra.
Hatsangana ireo temitry ny kianja manodidina ny Toeramasina, ary hapetraka ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana.
ny fefilamban’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ary ny tadin’ny lay. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Gersônita.
ny fefilamban’ny kianja sy ny lambam-baravaran’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny Fonena-masina sy ny alitara, ny tady mamaritra ny kianja ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany, dia izay rehetra nomena azy hiasany.