Eksodosy 40:33 - DIEM PROTESTANTA33 Nasain’i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan’i Mosesy avokoa ny asa rehetra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201133 Natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara ka ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara33 Nasain’i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan’i Mosesy avokoa ny asa rehetra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika33 Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny ôtely izy, sy nanantona ny lamba amin’ny vavahadin’ny kianja. Toy izany no nahavitan’i Môizy izany raharaha izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy33 Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ny vavahadin’ny kianja. Dia vitan’i Mosesy ny asa rehetra. Jereo ny tokoMalagasy Bible33 Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin'ny vavahadin'ny kianja. Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra. Jereo ny toko |
Fa ampiandraiketo azy kosa ny fitandremana ny Fonena-masina izay nametrahana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ary koa ny fanaka sy ny kojakoja rehetra momba azy. Ireo no hitondra ny Fonena-masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy sy hanao fanompoam-pivavahana ao aminy ary hitoby manodidina azy.
Ary ao amin’ny Fiangonana dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny olona: voalohany, ireo apôstôly; faharoa, ireo mpilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; fahatelo, ireo mpampianatra; manaraka izany, ireo mandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga, hanasitrana marary, hanampy olona, hitondra olona ary hiteny fiteny samy hafa tsy fantatra.