Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary nanarona ny tranolay fihaonana* ny rahona, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely*.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:34
28 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.


Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;


Ary tsy afa-niditra tao an-tranon’ny TOMPO ireo mpisorona, satria feno ny voninahitry ny TOMPO izany.


TOMPO ô, tiako ny trano onenanao, dia ny toerana ipetrahan’ny voninahitrao.


Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin’ny Ejiptianina avy teo amin’ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka Israelita manontolo i Aharôna, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin’ny rahona.


Hanamboatra tranolay masina ho Ahy ny Israelita mba hitoerako eo aminy.


«Eo amin’io toerana io no hihaonako amin’ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany.


Rehefa tafiditra i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ka nijanona teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ary niresaka tamin’i Mosesy ny TOMPO.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Nipararetra ny fanambanin’ny tokonana noho ny hamafin’ny feon’ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano.


Niakatra avy eo ambonin’ny kerobima hankeny amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.


Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»


Hakorontako ambony ambany ny firenen-drehetra. Hoentina eto, ny hareny rehetra ary dia hofenoiko famirapiratana indray ity trano ity, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.


Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.


Izy ireo no Israelita: natsangan’Andriamanitra ho zanany ary nomena ny voninahiny, manana ireo fanekempihavanana sy ny lalàna mbamin’ny fombam-pivavahana sy ireo fampanantenana;


Ary ny tempoly dia feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny; ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ny tempoly, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny anjely fito.


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra