Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.
Eksodosy 22:20 - DIEM PROTESTANTA «Aza mampijaly na mitsentsitra ny vahiny izay mipetraka ao aminareo, satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza mampijaly ny vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aza mampijaly na mitsentsitra ny vahiny izay mipetraka ao aminareo, satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo. Baiboly Katolika «Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery. Baiboly Protestanta Malagasy Ary aza manao izay sarotra amin’ny vahiny, na mampahory azy; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ihany hianareo. Malagasy Bible Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo. La Bible en Malgache Aza mampijaly ny vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ihany ianareo. |
Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.
Rehefa vita izany, dia hoy i Jehò tamin’ny miaramila sy mpifehy azy: –Midira ka vonoy ho faty tsy hisy miangana ireo na dia iray aza! Dia nasian’ny miaramila tamin’ny lelan-tsabatra ireo, ka nariany tany ivelan’ny tanàna ny fatiny. Avy eo ireto miaramila dia niverina tao amin’ny faritra nisy ny tempolin’i Bahala.
ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.
«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan’ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.
Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»
Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.
Ary nibaiko azy Aho samy hiala amin’ny sampy maharikoriko izay manintona azy, ka tsy handoto tena amin’ny fanompoana ireo sampy ejiptianina. Izaho no TOMPO Andriamaniny.›
Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.
Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»
Nohenoin’ny TOMPO ny voadin’ny Israelita ka natolony azy ny Kanahanita. Dia nataon’ny Israelita levona izy ireo mbamin’ny tanànany; ary ny anaran’izany toerana izany dia natao hoe Hôrmà.
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
Fa ny mpaminany izay sahy hilaza amin’ny anarako zavatra tsy nasaiko nambarany, na izay miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia hatao maty izany mpaminany izany.»
Aza hamavoinareo ny Edômita, satria taranaky ny mpiray tampo izy mbaminareo. Aza hamavoinareo koa ny Ejiptianina, satria efa mba vahiny tany amin’ny taniny ianareo.
Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho antoka.