Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy ka efa nandrendrika ombilahy kely ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka niteny hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Nalaky nivily hiala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombàny; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‹Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Nalaky nivily niala amin’ny làlana izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Nalaky nivily niala tamin’ny lalana izay nasaiko nalehany izy ka efa nandrendrika ombilahy kely ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka niteny hoe: Io no andriamanitrao, ry Israely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:8
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitady hevitra i Jerôbohama mpanjaka ka nanao ombilahikely volamena roa, ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: –Efa be izay niakaranareo matetika tany Jerosalema izay, ry Israely ô, koa indreo ny andriamanitrareo izay nitondra anareo niala tany Ejipta.


Tamin’ny nanaovany ombilahikely anidina sy nilazany hoe: «Io no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta!», dia notevatevainy tokoa Ianao;


Dia nanamboatra ombilahikely tao Hôreba ny razanay, ka niankohoka teo amin’ny sarivongana varahina.


Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin’ny Tompo ireo;


Koa aza ataonareo ho toy ny andriamani-bolafotsy na volamena Aho, ary aza manamboatra ireny ho anareo.


«Aza mampijaly na mitsentsitra ny vahiny izay mipetraka ao aminareo, satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.


Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: –Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!


Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin’ny mponina amin’izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin’ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin’ireo sorona fanaony koa ianareo.


Misy olona mandanilany foana ny volany; mandanja volamena sy volafotsy amin’ny mizana izy, dia manarama olona mpanefy firavaka mba hamboatra ireny ho andriamanitra izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.


ny nanolorany sorona dia lolo izay tsy andriamanitra akory sady andriamanitra tsy fantany, andriamani-baovao niseho tatỳ aoriana sady tsy nohajain’ny razany.


Tamin’izay dia hoy ny TOMPO tamiko: «Mialà teto ianao, ka ndeha midina faingana; fa nihasimba ilay vahoaka izay nafahanao avy tany Ejipta, nalaky nivily niala tamin’ny sori-dàlana efa nasaiko nizorany ka nanao sarin-tsampy ho azy tamin’ny metaly nempoina!»


Nijery aho ka indreo tokoa fa nanota tamin’ny TOMPO ianareo, satria nanao ombilahikely tamin’ny metaly nempoina mba ho sampinareo ary nalaky nivily niala tamin’ny sori-dàlana izay efa nasain’ny TOMPO nizoranareo.


Dia tonga tany amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy


Kanefa ny Israelita tsy nankatò ihany koa ireo mpitsara azy, fa nandeha nanao fanompoan-tsampy tamin’ireo andriamani-tsiizy ka niankohoka teo anatrehany. Nalaky niala ny lalana izay nizoran’ireo razany tamin’ny fankatoavana ny didin’ny TOMPO izy, fa tsy mba nanahaka azy.


Saingy hoy indray i Gidehôna taminy: –Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin’ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra