Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 15:13 - DIEM PROTESTANTA

13 ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 koa na iza na iza tsy mety mitady NY TOMPO Andriamanitry ny Israely dia hovonoina ho faty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 ka na zovy na zovy tsy hitady an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia hatao maty mihitsy na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 ka na iza na iza tsy mety mitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 15:13
16 Rohy Ifampitohizana  

Fa ireo lehilahy teo am-baravaran’ny trano kosa nasiany fahajambana na ny kely na ny lehibe ka tsy nahita ny varavarana hidirana.


Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.


Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.


Samy tafakambana any na kely na lehibe ary ny mpanompo aza dia ho afaka amin’ny tompony.


Tsy mitongilana amin’ny lehibe Izy na mampandefitra ny mahantra eo anoloan’ny mpanankarena, fa asan’ny tanany avokoa izy rehetra.


–Hotahîny anie ny mpanaja AZY! –Hotahîny anie na ny kely na ny lehibe!


Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.


«Izay manao sorona ho an’andriamani-kafa, afa-tsy amin’ny TOMPO irery ihany, dia haringana.


«Aza mampijaly na mitsentsitra ny vahiny izay mipetraka ao aminareo, satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.


Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»


Fa niaro ahy Andriamanitra mandraka androany ka mbola intỳ aho eto, mba hijoro ho vavolombelona amin’ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe. Izay nambaran’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy no hany lazaiko izao:


Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: «Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony!»,


Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan’io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin’ny zavatra voasoratra tao anatin’ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy.


Ny mpanjakan’ny tany, ireo lehibe sy ireo komandin-tafika, ireo mpanankarena sy ireo lehilahy matanjaka, mbamin’ny olona rehetra na mpanompo na tsy mpanompo, dia lasa niery tany anatin’ny zohy sy tany ambanin’ny vatolampy teny an-tendrombohitra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra