Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.
Eksodosy 18:8 - DIEM PROTESTANTA Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Farao sy tamin’ny Ejiptiana noho ny amin’ny Israelita, nolazainy mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana sy ny namonjen’NY TOMPO azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany. Baiboly Katolika Notantarain’i Môizy tamin’ny rafozany avokoa ny nataon’i Iaveh tamin’i Faraôna sy ny Ejiptianina, noho ny amin’i Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dalana, ary ny namonjen’i Iaveh azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nambaran’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra efa nataon’i Jehovah tamin’i Farao sy tamin’ny Egyptiana noho ny amin’ny Isiraely, mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dàlana, sy ny namonjen’i Jehovah azy. Malagasy Bible Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy. La Bible en Malgache Dia notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany izay rehetra nataon’NY TOMPO tamin’i Farao sy tamin’ny Ejiptiana noho ny amin’ny Israelita, nolazainy mbamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana sy ny namonjen’NY TOMPO azy. |
Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.
Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, lehibe sady mahery no mahatahotra Ianao, ary mitandro ny fanekempihavananao sy fitiavanao. Aoka re tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjo ny vahoakanao tsivakivolo dia ny mpanjakanay sy mpanapaka anay, ny mpisoronay sy mpaminaninay, ary ny razanay mbamin’ny tenanay, manomboka tamin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria ka mandrak’izao andro anio izao!
Aoka hiredona izany ny navotan’ny TOMPO, dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan’ny mpampahory
Ianareo mpanaja an’Andriamanitra, tongava daholo mba hihaino fa hotantaraiko izay nataony tamiko.
Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben’ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.
ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!
Ary ren’i Jetrao, mpisorona tao Midiàna sady rafozan-dahin’i Mosesy, izay rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.
«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin’ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.
Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»
dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan’ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin’ny tany Ejipta.
Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.
Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.