Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 44:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko raha tsy miaraka amiko ny zaza? Fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Fa tsy afaka hiverina any amin’i dada aho, raha tsy miaraka amin’io zatovo io satria tsy ho zakako ny hahita an’i dada hiharan-doza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy miaraka amiko ny zaza? Aza hitako anie izany alahelo hanjò an’ikaky izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 44:34
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny miangavy aho, tompoko, aoka ny tenako no hijanona hisolo toerana io zatovo io ho andevonao, fa izy kosa hiakatra hiaraka amin’ireo rahalahiny.


Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason’ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Jôsefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin’i Jôsefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny.


Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy mba hahita maso ny loza rehetra hamelezako ity tanàna ity sy ny mponiny.» Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.


Ka hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ireo mpiray firenena amiko sy ny fandringanana ireo iray firazanana amiko?


Moa faly tamin’ny fahavoazan’ny fahavaloko ve aho na nibitabitaka raha nianjadiam-pahoriana izy?


Ny fahafatesana toa efa nitana ahy am-patorana; ny toeran’ny maty toa efa nangeja harato ahy, tojo fahoriana sy tebiteby aho,


Azon’ny fahoriana sy ny fahaterena aho, nefa mbola miravo amin’ny didinao.


Notantarain’i Mosesy tamin’ny rafozany avokoa izay rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin’i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan’ny TOMPO ilay vahoakany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra