Eksodosy 4:23 - DIEM PROTESTANTA23 Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201123 Koa efa nolazaiko taminao hoe: Avelao ny zanako handeha mba hanompo Ahy; kanjo nandà tsy namela azy handeha ianao; koa indro Aho hamono ny zanakao lahy, ny lahimatoanao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika23 Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy hianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa. Jereo ny tokoMalagasy Bible23 koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache23 Koa efa nolazaiko taminao hoe: Avelao ny zanako handeha mba hanompo Ahy; kanjo nandà tsy namela azy handeha ianao; koa indro Aho hamono ny zanakao lahy, ny lahimatoanao. Jereo ny toko |
Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»