Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Eksodosy 17:15 - DIEM PROTESTANTA Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanorina alitara i Mosesy ka ny anarany nataony hoe: NY TOMPO Nisỳ. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako». Baiboly Katolika Dia nanorina ôtely i Môizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisì. Malagasy Bible Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. La Bible en Malgache Dia nanorina alitara i Mosesy ka ny anarany nataony hoe: NY TOMPO Nisỳ. |
Niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Dia nanorina alitara ho an’ny TOMPO i Abrama teo amin’io toerana izay nisehoan’ny TOMPO taminy io.
Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.
Dia nataon’i Abrahama hoe «Ny TOMPO no hahita» ny anaran’izany toerana izany ary mbola fiteny ankehitriny ny hoe: «Any an-tendrombohitra ny TOMPO no hahita.»
Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.
Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely.
«Hisy alitara fisoronana hamboarina amin’ny hazo mimôzà. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.
Nony hitan’i Aharôna izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan’ny sarivongana izy, ary nanambara hoe: –Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!
Ary nanorina alitara ho an’ny TOMPO teo i Gidehôna, ka io toerana io dia nantsoiny hoe «Ny TOMPO manome fiadanana»; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hôfrà, tanànan’ny tarik’i Abihezera.