Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 17:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ao amin’ny boky izany ho fahatsiarovana ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tsy ho eny ambanin’ny lanitra tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Soraty eo amin’ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Soraty ao amin’ny boky izany ho fahatsiarovana ka ambarao amin’i Josoa; fa hofoanako tsy ho eny ambanin’ny lanitra tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 17:14
30 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ny nahafatesan’i Saoly, dia niverina tao Tsiklaga i Davida ka nijanona roa andro tao rehefa avy nandresy ny Hamalekita.


dia ny Sirianina sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekita, ary koa nanokanany ny babo azony tamin’i Hadadehezera zanakalahin’i Rehôba sady mpanjakan’i Tsôbà.


Ary tamin’ny taranak’i Simehôna dia nisy lehilahy dimanjato notarihin’i Pelatià sy i Neharià ary i Refaià sy i Hoziela izay samy zanakalahin’i Jisehỳ; nankany an-tendrombohitr’i Sehira ireo,


ka namely ny Hamalekîta sisa afa-nandositra, dia nonina tany mandraka androany.


Ahoana àry no mbola handikanay ny didinao indray ka hanambadianay amin’ireo olona mpanao zava-maharikoriko ireo? Tsy ho tezitra aminay ve Ianao ka handringana anay rehetra tsy misy ankanavaka?


Ho foana eto amin’ity tany ity ny fahatsiarovana ny olon-dratsy, ary efa hadino hatrany ivelany ny anarany.


Tiako raha mba voasoratra ny teniko, ka ho voasokitra any ho any.


Norahonanao ny hafa firenena ary naringanao ny olon-dratsy; nokosehinao ny fahatsiarovana azy mba ho levona mandrakizay.


«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Io fankalazana io dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro fa tokony hambaranareo ny lalànan’ny TOMPO satria IZY no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.


Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.


Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Tsia, tsy misy hovonoiko ao amin’ny bokiko afa-tsy ny anaran’ireo izay nanota tamiko ihany.


Mbola nandidy an’i Mosesy koa ny TOMPO hoe: –Soraty ireto didy ireto fa fototry ny fanekempihavanana ataoko aminao sy ny vahoaka israelita.


Hotahîna ny fahatsiarovana ny olo-marina; fa ho hadino hatramin’ny anarany kosa ny olon-dratsy.


«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.


«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.


Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»


Nomarihin’i Mosesy tsara ny toerana nasain’ny TOMPO nijanonany sy niaingany indray araka izao:


Dia nataon’i Mosesy an-tsoratra izany Lalànan’Andriamanitra izany, ka natolony tamin’ireo mpisorona, taranak’i Levỳ, dia ireo mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanan’ny TOMPO, ary koa tamin’ireo rehetra loholon’i Israely.


dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»


Ary IZY efa nanoro lalana anao handeha hamongotra tanteraka ireo Hamalekita mpanota ireo ary hiady aminy mandra-paharingany.


Ny afakampitso, rehefa tonga tany Tsiklaga i Davida sy ny olony, dia notafihin’ny Hamalekita ny atsimon’i Joda sy i Tsiklaga, noravan’izy ireo sy nodorany ny tanàna.


Namely azy ireo vao mangiran-dratsy i Davida mandra-paharivan’ny andro manaraka. Tsy nisy niangana na iray aza afa-tsy tovolahy efajato izay afa-nandositra nitaingin-drameva.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra