Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 32:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Nony hitan’i Aharôna izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan’ny sarivongana izy, ary nanambara hoe: –Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Raha nahita izany i Arona dia nanorina alitara teo anoloany, sady niteny hoe: Andro firavoravoana ho an’NY TOMPO rahampitso.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Nony hitan’i Aharôna izany, dia namboatra alitara iray teo anoloan’ny sarivongana izy, ary nanambara hoe: –Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Nony nahita izany i Aarôna dia nanao ôtely teo anoloan’ilay sary ka niantso hoe: «Hisy fety fankalazana an’i Iaveh rahampitso.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary raha hitan’i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an’i Jehovah rahampitso.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Raha nahita izany i Arona dia nanorina alitara teo anoloany, sady niteny hoe: Andro firavoravoana ho an’NY TOMPO rahampitso.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 32:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Izao no voasorany tao amin’ny taratasy: «Miantsoa andro fifadian-kanina ka i Nabôta no asaivo mitarika ny vahoaka amin’izany.


Ary hoy i Jehò: –Aoka hisy fivoriana manokana hankalazana an’i Bahala! Dia natao ny fiantsoana.


Nanao alitara vaovao i Orià, araka ny toromarika rehetra nampitondrain’i Ahaza mpanjaka azy avy tany Damasy; ary izany dia ho vonona alohan’ny hiverenan’i Ahaza avy any Damasy.


Dia hoy i Mosesy hoe: –Izahay rehetra no handeha, na antitra na tanora, na lahy na vavy, miaraka amin’ny ondry aman’osy ary ny ombinay, satria hanao fety ho an’ny TOMPO izahay.


«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».


Noraisin’i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin’ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe: –Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!


Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin’io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.


Nampitombo ireo alitara i Efraîma mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota.


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:


Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.


«Ireo àry no fankalazana manetriketrika naraikitro, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo sy hanateranareo sorona levonina amin’ny afo ho AHY, dia sorona dorana manontolo ombàn’ny fanatitra vokatry ny tany, na sorom-pihavanana ombàn’ny fanatitra araraka, samy amin’ny fotoanandrony avy.


«Ireto kosa no fankalazana manetriketrika hafa naraikitro ka hasiana fanompoam-pivavahana koa amin’ny fotoany avy:


ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin’ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin’ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy.


Toy izany no nanorenan’i Saoly alitara ho an’ny TOMPO. Io no alitara voalohany izay naoriny ho AZY.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra