Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon’ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;
Eksodosy 13:2 - DIEM PROTESTANTA –Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy. Ahy ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny. Baiboly Katolika «Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny. Malagasy Bible Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny. La Bible en Malgache Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy. Ahy ireny. |
Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon’ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;
nekenay hoentina ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay ka harosonay amin’ny mpisorona izay manao ny fanompoana.
«Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.
Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
Dia ambarao amin’ny Farao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.
Nalainao koa ireo zanakao lahy sy vavy izay naterakao ho Ahy ka nataonao sorona taminy. Tsy ampy anao angaha ny fijangajangana?
«Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.
Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,
satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.
satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.»
Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo dia hatokanareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinareo.
ary koa ny Fiangonana ivorian’ireo zanaka malalan’Andriamanitra toa lahimatoany, dia ireo voasoratra anarana any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia Andriamanitra mpitsara ny olona rehetra ary koa ireo fanahin’ny olo-marina efa tonga lafatra.