Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 23:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia hoentinao ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 «Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia hoentinao ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 23:19
20 Rohy Ifampitohizana  

Nanao antsapaka izahay mpisorona sy levita ary sarambabem-bahoaka ny amin’ny hifandimbiasana hanatitra kitay hazo ho ao an-tranon’Andriamanitray, isam-pianakaviana amin’ny fotoanandro manandrify; isan-taona, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàna, no hitondranay an’izany kitay izany mba handorana ny sorona eo ambonin’ny alitaran’ny TOMPO Andriamanitray.


Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon’ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;


«Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.


«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.


Haterinareo ao an-tranoko ny santa-bokatry ny taninareo satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo; nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


Ny olo-marina mahalala mitsimbina ny bibiny; fa ny olon-dratsy kosa masiaka hatramin’ny atiny.


Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao sy izay voaloham-bokatrao rehetra.


Ny fanaon’ny firenen-kafa dia zava-poana ihany. Hazo any an’ala no kapainy, dia sokirin’ny mpandrafitra ho sampy.


Horaisin’ny mpisorona ny santatry ny voaloham-bokatra ary izay rehetra navahana ho Ahy tamin’ny harenan’ny Israelita. Homen’ny olona azy koa ny koba lafarinina tsara indrindra mba hitahiako ny ao an-tranony.


Ny anjaran’ny Levita dia hitovy amin’ny an’ny mpisorona. Samy hahazo anjara izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 5 km ny sakany izy roa tonta.


Tsy azo atakalo na amidy na afindra ny tany amin’io faritra izay manan-danja indrindra io, satria voatokana ho an’ny TOMPO.»


Toy izany no anomezanareo ho Ahy TOMPO ny ampahany amin’ny santatry ny kobanareo; hatramin’ny taranakareo fara mandimby.


Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an’ireo nodimandry.


Aza mihinam-biby maty ho azy fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanareo izany mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena. Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.


Koa ankehitriny, TOMPO ô, intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatr’ilay tany izay efa nomenao ahy.» Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo.


dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;


Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny fomban-tsampy, satria madio toetra. Ireo no mpanaraka ny Zanakondry na aiza na aiza alehany. Ireo no efa navotana avy tamin’ny olona, mba ho santa-bokatra atolotra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra