Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 23:18 - DIEM PROTESTANTA

18 «Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 «Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 «Tsy haterinao miaraka amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy hianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 23:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin’ny afo.


«Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Aoka tsy hisy olona hamela sisa ho tra-maraina.


Raha misy sisa tsy lany tra-maraina ny hena sy ny mofo, dia hodorana fa tsy azo hanina satria sakafo masina.


«Aza ampiarahina amin’ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan’ny sorona atao harivan’ny fetin’ny Paska.


«Ny fanatitra rehetra, izay atolotrao ho an’ny TOMPO, dia aza misy haroina leviora; fa ny leviora sy ny tantely dia samy tsy ho azonareo dorana hanetona, ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana mba ho fisaorana an’Andriamanitra, dia ireto zavatra ireto no hateriny ho fanampiny: mofo vaventy tsy misy leviora sady miharo menaka, mofo fisaka tsy misy leviora sady voahoso-menaka; ary mofo atao amin’ny koba lafarinina miharo menaka.


Ny henan’ny sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra dia hohanina amin’ny andro anaterana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina.


Aoka tsy hisy leviora eo aminareo, manerana ny taninareo, mandritra izany herinandro izany; ary aoka tsy hisy tavela ho tra-maraina ny henan’ilay sorom-pihavanana novonoinareo tamin’ny harivan’ny andro voalohany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra