Ary nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia hafatra ny amin’i Bahasà manao hoe:
2Tantara 19:2 - DIEM PROTESTANTA Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Niainga hitsena azy i Jeho, zanak’i Hanany mpahita ka niteny tamin’i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala NY TOMPO va no tokony ho tianao? Koa izany no mahatezitra NY TOMPO aminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO. Baiboly Katolika dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak’i Hanany mpahita, ka nanao tamin’i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an’i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah. Malagasy Bible Ary nivoaka hitsena azy Jeho, zanak'i Hanany mpahita, ka nanao tamin'i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala an'i Jehovah va no tokony ho tianao? Koa noho izany dia tezitra aminao Jehovah. La Bible en Malgache Niainga hitsena azy i Jeho, zanak’i Hanany mpahita ka niteny tamin’i Josafata mpanjaka hoe: Moa ny ratsy fanahy va no tokony hampiana, ary izay mankahala NY TOMPO va no tokony ho tianao? Koa izany no mahatezitra NY TOMPO aminao. |
Ary nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia hafatra ny amin’i Bahasà manao hoe:
naringan’i Zimrỳ avokoa ny fianakavian’i Bahasà araka ny teny nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany.
Ny nitenenan’ny TOMPO an’i Bahasà sy ny fianakaviany, tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia noho ireto antony roa ireto: voalohany satria nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Bahasà sy ny fianakaviany, ka nampahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany sady tonga tahaka an’i Jerôbohama sy ny fianakaviany; ary faharoa satria naringan’i Bahasà ny taranak’i Jerôbohama.
Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an’i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.
Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, fa ny olona dia mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany.
Tamin’izany fotoana izany dia nankeo amin’i Asà, mpanjakan’i Joda, i Hananỳ mpaminany ka nanao taminy hoe: –Tsy ny TOMPO Andriamanitrao no niankinanao fa ny mpanjakan’i Siria; noho izany, dia votsotra tsy ho eo ambany fahefànao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.
Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely.
Dia lasa nanafika an’i Ramôta-Gilehada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Joda.
ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.
Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!
Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Jôsafata mpanjakan’i Joda.
Na inona na inona ady avy amin’ny mpiray firenena, any amin’ny tanàna fonenany any momba ny vonoan’olona na momba ny lalàna sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy; dia tsy ho meloka amin’ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsafata, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’i Jehò zanakalahin’i Hananỳ, izay nakambana tamin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely.
hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.
Dia nijoro teo anoloan’ny Hozià mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: –Tsy anjara raharahanao, ry Hozià, ny handoro vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO; fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aharôna izay natokana hanao izany. Mialà amin’ny Toeramasina ianao, satria manimbazimba an’Andriamanitra; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitra izany.
I Hezekià kosa tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona am-po izy ka niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny tenany mbamin’i Joda sy i Jerosalema.
tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra, fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO, tsy mivadika amin’ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;
Eny, ny TOMPO no itokian’ny mpanjaka, hany ka tsy hangozohozo akory izy satria tia azy ilay Avo Indrindra.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. Tononkira.
isan’andro no hitanisan’ny vavako ny fahamarinanao sy ny famonjenao, na tsy voaisako avokoa aza ireny.
Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;
Dia namaly an’i Amatsià i Hamôsa nanao hoe: –Tsy mba mpaminany na anisan’ny tarika mpaminany aho taloha fa mpiandry biby fiompy sady mpanindrona voan’aviavy.
–Raha ankahalain’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no efa nankahalainy talohanareo.
Efa anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an’Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin’ny namana; ka noho ny asa ratsin’ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy.
tonga mpanaratsy olona, mpankahala an’Andriamanitra, entin-kambo dia toerana, mpirehareha, mpiavonavona, mpamoron-dratsy, tsy manaiky ray aman-dreny,
Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra izany, ary fantatr’izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.
Ny firònan’ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin’Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan’Andriamanitra akory.
Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny;
ka horanitiko hanelatselatra ny sabatro, harangarangan’ny tanako ny famaizana, dia hovaliako ny mpandrafy Ahy ary hampanodiaviko ny mpankahala Ahy ny ataony.
TOMPO ô, tahio ny ezaka vitany ary aoka ho sitrakao ny asa ataony; folahy ny herin’izay mitsangan-kanohitra azy, ary aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.»
Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ianao ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia mamaly azy sy ny taranany hatrany amin’ny zafin-dohalika Aho;
fa an-karihary sady tsy an-kitaredretra kosa no amaliany sy andringanany an’izay mankahala Azy.
Olona mivadika amin’Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra.
Dia hoy i Saoly hoe: –Marina ny anao; andeha àry isika ho any. Ary lasa izy ireo nankany an-tanànan’ilay lehilahin’Andriamanitra. Teny an-dalana izy ireo dia sendra tovovavy nandeha hantsaka izay nanontaniany hoe: –Ao ihany ve ilay mpahita izay? (Fahiny teo amin’ny Israely dia fanaon’ny olona izay te hanontany mivantana an’Andriamanitra ny manao hoe: «Andeha isika ho any amin’ny mpahita.» Fa izay antsoina ankehitriny hoe «mpaminany» manko no nantsoina taloha hoe «mpahita.»)