Ny mpisorona sy ny levita no nampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.
2Tantara 1:3 - DIEM PROTESTANTA Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 koa niara-niakatra ho any amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo; fa tao ny tranolay fihaonana izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, tany an-tany efitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra. Baiboly Katolika Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra; Baiboly Protestanta Malagasy ka dia niara-niakatra ho any amin’ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy ny fiangonana rehetra; fa tao ny trano-lay fihaonana izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’i Jehovah, tany an-efitra. Malagasy Bible ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra. La Bible en Malgache koa niara-niakatra ho any amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo; fa tao ny tranolay fihaonana* izay an’Andriamanitra, ilay nataon’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, tany an-tany efitra. |
Ny mpisorona sy ny levita no nampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO niaraka tamin’ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.
Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.
Tamin’izay ny tranolain’ny TOMPO (tranolay nataon’i Mosesy tany an-taniefitra) sy ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo dia teo amin’ny Toeramasina tao Gibehôna;
Dia niverina tany Jerosalema i Salômôna rehefa niala teo amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin’i Israely izy.
Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.
–Ny andro voalohany amin’ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana.
Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;
Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO.
Ny mponina tao Gibehôna dia isan’ny Hivita; kanefa, nony nandre an’izay nataon’i Josoa tamin’i Jerikao sy i Hay ry zareo,