Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Niantso an’i Mosesy ny TOMPO ka niteny taminy avy ao amin’ny Tranolay fihaonana

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 NY TOMPO niantso an’i Mosesy ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Niantso an’i Mosesy ny TOMPO ka niteny taminy avy ao amin’ny Tranolay fihaonana

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary i Iaveh niantso an’i Môizy ka niteny taminy tao an-trano lay fihaonana, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Jehovah niantso an’i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ny trano-lay fihaonana hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Jehovah niantso an'i Mosesy ka niteny taminy tao amin'ny trano-lay fihaonana hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 NY TOMPO niantso an’i Mosesy ka niteny taminy avy tao amin’ny tranolay fihaonana* hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 1:1
19 Rohy Ifampitohizana  

ary nanolotra sorona dorana manontolo teo miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay; ary nararany teo ambonin’ny alitara ny ran’ny sorom-pihavanany.


Ny isan’ny sorona dorana manontolo nentin’ny mpiangona dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak’ondry roanjato; ka natolotra ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO ireo rehetra ireo.


Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara etỳ akaikiko etỳ an-tendrombohitra, ary mijanòna eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalàna mba hampianarinao ny Israelita.


Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.


Amin’ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.


Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: –Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: –Inty aho.


Isak’izay nilasy an-toby ny Israelita, dia nalain’i Mosesy ny tranolay masina ka naoriny teny ivelan’ny toby, teny lavidavitra. Nantsoina hoe Tranolay fihaonana izany, satria izay rehetra te hanontany ny TOMPO dia mivoaka ny toby ka mankao amin’izany tranolay izany.


Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.


avy eo dia napetraka teo anoloan’io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay tany an-taniefitra ireny, dia tamin’ny andro nandidian’ny TOMPO hanateran’ny Israelita sorona aminy.


Natolony koa ny ombilahikely sy ondrilahikely ho sorona dorana manontolo ka nataony araka ny fomba fanao.


Izao no nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany an-taniefitr’i Sinay, tao amin’ny Tranolay fihaonana, ny andro voalohan’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa nialan’ny Israelita tany Ejipta:


Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Vato tsy voavoatra no hanorenanareo io alitara io, ary eo amboniny dia hanoloranareo sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra