Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 1:2 - DIEM PROTESTANTA

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: «Rehefa misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho sorona amin’ny TOMPO, dia omby na ondry na osy no aoka hatolony ho sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy aminareo manolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’NY TOMPO dia omby na ondry na osy no hatolotrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 mba hamepetra ny Israelita hoe: «Rehefa misy aminareo te hanolotra biby fiompy ho sorona amin’ny TOMPO, dia omby na ondry na osy no aoka hatolony ho sorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitra amin’i Iaveh dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy aminareo manolotra biby fiompy ho fanatitra ho an’NY TOMPO dia omby na ondry na osy no hatolotrareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 1:2
13 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran’i Kaina fanatitra ho an’ny TOMPO ireo vokatry ny tany.


fa tsy nankasitraka kosa an’i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy.


Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany.


Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.


Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.


dia hanao sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, na koa sorona hafa ho fanalam-boady, na fanatitra an-tsitrapo, na fanatitra amin’ny fety. Hofidinareo hatao sorona amin’izany na omby na ondry na osy, ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.


Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin’ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina ôrza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.


Fa ianareo kosa manambara fa raha misy olona milaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: «Efa nataoko kôrbana, izany hoe fanatitra ho an’Andriamanitra, ny zavatra tokony hanasoavako anao»,


Ry havana, satria efa nanehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony isika, dia manainga anareo aho, mba samy hanolotra ny tenanareo ho sorona velona, voatokana ho an’Andriamanitra sady ankasitrahany. Izany no fanompoam-pivavahana tokony hataonareo.


Manana fanomezana samihafa isika, araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra antsika. Raha misy manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra, dia aoka hanao izany mifanaraka amin’ny finoana.


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra