Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:38 - DIEM PROTESTANTA

38 Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 Fa ny rahon’i Jehovah dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Isiraely rehetra, tamin’ny nandehanany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 Fa ny rahon'i Jehovah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

38 Fa ny rahon’NY TOMPO dia teo ambonin’ny tabernakely nony andro ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ny taranak’Israely rehetra, tamin’ny toerana rehetra nalehany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:38
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.


Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.


Andry rahona no nitarihany azy tamin’ny antoandro ary ny hazavan’ny afo nandritra ny alina.


Nialoha azy ireo ny TOMPO ka andry rahona no nitarihany lalana azy nony antoandro, ary andry afo no nanazavàny azy nony alina, hany ka afaka nandeha andro aman’alina ny Israelita.


Tsy nitsahatra mialoha azy ireo ny andry rahona tamin’ny antoandro, na ny andry afo tamin’ny alina.


Teo ambonin’ny Israelita mba hanaloka azy ny rahon’ny TOMPO nandritra ny andro, tamin’ny fotoana izay niaingany.


Tsy hasiany sisa ho tra-maraina izany, ary tsy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra momba ny Paska no hankalazany izany.


Tamin’ny andro nananganana ny Fonena-masina, dia nisy rahona nandrakotra ny Tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Amin’ny hariva izy io dia mazava toy ny afo eo ambonin’ny Tranolay mandra-maraina.


Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin’ny alina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra