Tamin’ny taranak’i Joda, dia nisy 6 800 lahy mpitondra ampinga sy lefona sady vonona hiady.
1Tantara 9:16 - DIEM PROTESTANTA i Hôbadià, zanakalahin’i Semahià sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotòna; i Berekià, zanakalahin’i Asà sy zafin’i Elkanà, izay nonina tao amin’ireo tanànan’ny Netôfatita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona ary i Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netofatita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Hôbadià, zanakalahin’i Semahià sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotòna; i Berekià, zanakalahin’i Asà sy zafin’i Elkanà, izay nonina tao amin’ireo tanànan’ny Netôfatita. Baiboly Katolika i Obadià zanak’i Semeià zanak’i Galala zanak’Iditona; i Barakià zanak’i Asà zanak’i Elkanà, izay nonina tao an-tanànan’ny Netôfatianina. Baiboly Protestanta Malagasy ary Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona, ary Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netofatita. Malagasy Bible ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita. La Bible en Malgache i Obadia, zanak’i Semaia, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona ary i Berekia, zanak’i Asa, zanak’i Elkana, izay nonina tamin’ny vohitry ny Netofatita. |
Tamin’ny taranak’i Joda, dia nisy 6 800 lahy mpitondra ampinga sy lefona sady vonona hiady.
Taranak’i Salmà: ny mponina tao Betlehema, ny Netôfatita, ny mponina tao Hatarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manahetîta, ny Tsôrehita,
I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:
Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.
Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon’ny Tompo, ombàn’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan’ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotòna ary i Hemàna.
i Bakboko, zanakalahin’i Heresa sy zafin’i Galala; i Matanià, zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zikrỳ ary zafiafin’i Asafa;
Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.
Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.
i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.