Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 25:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon’ny Tompo, ombàn’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan’ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotòna ary i Hemàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ireo rehetra ireo no teo ambany fitarihan’ny rainy tamin’ny hira natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, tamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra. I Asafa sy i Jedotona ary i Hemana dia teo ambany fitarihan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon’ny Tompo, ombàn’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan’ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotòna ary i Hemàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin’ny rainy avy, hanao ny hira ao an-tranon’i Iaveh, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, eo ambany fifehezan’i Davida sy i Asafa ary i Iditona sy i Hemàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ireo rehetra ireo no fehin’ny rainy tamin’ny hira natao tao an-tranon’i Jehovah tamin’ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ireo rehetra ireo no teo ambany fitarihan’ny rainy tamin’ny hira natao tao amin’ny tranon’NY TOMPO, tamin’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra. I Asafa sy i Jedotona ary i Hemana dia teo ambany fitarihan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 25:6
17 Rohy Ifampitohizana  

Niravoravo teo anatrehan’ny TOMPO i Davida sy ny Israelita rehetra tamin’ny fampiasana zava-maneno vita tamin’ny hazo kipresy, dia ny lokanga sy ny valiha, mbamin’ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.


Ny hazo sarobidy dia nataon’ny mpanjaka arofanina tao amin’ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira; ka tsy nisy hazo sarobidy tonga na hita toy izany intsony tany Israely mandraka ankehitriny.


Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.


I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina;


I Kenanià, lehiben’ny levita nisahana ny fitondrana ny Vatamasina, no nampianatra momba ny fitondrana azy satria nanavanana azy izany.


ny efatra arivo ho mpiandry varavarana; ary ny efatra arivo ho mpidera ny TOMPO amin’ny zava-maneno namboariko hiderana Azy.


Dia tonga tany Jerosalema izy nombàn’ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an-tranon’ny TOMPO.


Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»


tamin’ny terak’i Elitsafàna, dia i Simrỳ sy i Jehoela; tamin’ny terak’i Asafa, dia i Zakarià sy i Matanià;


Ary napetraky ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO ireo levita ombàn’ny kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didy nataon’i Davida mpanjaka ary koa nataon’i Gada mpahitany sy i Natàna mpaminany; izany no didy nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.


i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.


Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.


Tamin’ny andron’i Davida manko dia i Asafa no lehiben’ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin’ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra.


Ry ilay Andriamanitro Mpanjakako ô, marevaka ny dianao ho any an-Toeramasina.


Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo.


Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin’ny fonareo tokoa ho an’Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra