Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Tamin’ny taranak’i Joda, dia nisy 6 800 lahy mpitondra ampinga sy lefona sady vonona hiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Tamin’ny taranak’i Simeona dia zato sy fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Tamin’ny taranak’i Joda, dia nisy 6 800 lahy mpitondra ampinga sy lefona sady vonona hiady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Tamin’ny taranak’i Simeôna, 7.100 lahy, samy lehilahy mahery an’ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Tamin’ny taranak’i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Tamin’ny taranak’i Simeona dia zato sy fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny ady.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:25
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha mbola nipetraka tamin’izany faritany izany i Jakôba, dia lasa i Reobena nandry tamin’i Bilehà vadikelin-drainy. Nahare izany i Jakôba ka nisafoaka. Fa nisy roa ambin’ny folo ny zanakalahin’i Jakôba;


i Reobena no lahimatoan’i Jakôba tamin’i Leà, avy eo dia i Simehôna, i Levỳ, i Joda, i Jisakara ary i Zebolòna.


Izao no isan’ny vatan-dehilahy vonona hiady izay tonga tany amin’i Davida tao Hebrôna mba hamindra aminy ny fanjakàn’i Saoly araka ny baikon’ny TOMPO:


Tamin’ny i Simehôna, dia nisy 7 100 lahy maherifo an’ady.


i Bakboko, zanakalahin’i Heresa sy zafin’i Galala; i Matanià, zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zikrỳ ary zafiafin’i Asafa;


i Hôbadià, zanakalahin’i Semahià sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotòna; i Berekià, zanakalahin’i Asà sy zafin’i Elkanà, izay nonina tao amin’ireo tanànan’ny Netôfatita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra