Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 25:1 - DIEM PROTESTANTA

1 I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY ny taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo komandin’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ny mpanao araka ny fanompoany avy:–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ny taranak’i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona dia natokan’i Davida sy ireo lehiben’ny miaramila ho amin’ny fanompoana mba haminany amin’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona. Izao no isan’ny mpanao raharaha araka ny fanompoany avy:

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 25:1
46 Rohy Ifampitohizana  

Ny hazo sarobidy dia nataon’ny mpanjaka arofanina tao amin’ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an’ny mpihira; ka tsy nisy hazo sarobidy tonga na hita toy izany intsony tany Israely mandraka ankehitriny.


Ankehitriny, itondray mpitendry mozika aho. Raha mbola niangaly mozika ilay mpitendry, dia tonga tamin’i Elisà ny herin’ny TOMPO,


niampy an’i Jôiadà, filohan’ny taranak’i Aharôna, niaraka tamin’ny 3 700 lahy,


Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.


I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.


Novoriny koa ny lehibe rehetra tamin’i Israely mbamin’ny mpisorona sy ny levita.


Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka.


Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.


Ka ny antsapaka voalohany dia azon’i Jôsefa; ny faharoa, azon’i Gedalià; ny fahatelo, azon’i Zakora; ny fahefatra, azon’i Jitserỳ; ny fahadimy, azon’i Netanià; ny fahenina azon’i Bokià; ny fahafito, azon’i Asarelà; ny fahavalo, azon’i Jesahià; ny fahasivy azon’i Matanià; ny faha-folo, azon’i Simehỳ; ny faha-11, azon’i Hoziela; ny faha-12, azon’i Hasabià; ny faha-13, azon’i Sobaela; ny faha-14, azon’i Matitià; ny faha-15, azon’i Jeremôta; ny faha-16, azon’i Hananià; ny faha-17, azon’i Jôsbekasà; ny faha-18, azon’i Hananỳ; ny faha-19, azon’i Malôtỳ; ny faharoapolo, azon’i Eliatà; ny faha-21, azon’i Hôtira; ny faha-22, azon’i Gidaltỳ; ny faha-23, azon’i Mehaziôta; ny faha-24, azon’i Rômamtỳ-Hezera. Izy tsirairay avy, mbamin’ny zanany sy havany miaraka aminy, dia samy sokajy misy olona 12 lahy.


Taranak’i Levỳ no voatendrin’i Davida hihira tao an-tranon’ny TOMPO, niantomboka hatramin’ny nametrahana tao ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana.


Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.


Ireto no fonenan’ny taranak’i Levỳ, araka ny toerana nisy azy tao amin’ny zara taniny avy. Ny taranak’i Aharôna, avy amin’ny tarik’i Kehata, no voatendrin’ny antsapaka ho voalohany,


Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina.


Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ.


Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»


Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.


Nomen’i Jôiadà an’ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman’ampinga isan-karazany, izay an’i Davida mpanjaka saingy natoby tao an-tranon’Andriamanitra.


tamin’ny terak’i Elitsafàna, dia i Simrỳ sy i Jehoela; tamin’ny terak’i Asafa, dia i Zakarià sy i Matanià;


Tamin’ny terak’i Hemàna, dia i Jehiela sy i Simehỳ; ary tamin’ny terak’i Jedotòna, dia i Semahià sy i Hoziela.


Najoron’i Hezekià indray ny antokon’ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatra ny fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin’ireo kianjan’ny tranon’ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny Tompo.


Nahatoky tokoa ny fomba fiasan’ny olona, teo ambany fifehezan’ireto levita ireto: dia i Jahata sy i Hôbadià tamin’ny taranak’i Merarỳ, ary koa i Zakarià sy i Mesolama tamin’ny taranak’i Kehata. Nisy levita hafa, izay samy mpiangaly zava-maneno avokoa,


Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.


Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.


Araka ny fandaharan’i Davida rainy, dia notendren’i Salômôna ny antokon’ny mpisorona ho amin’ny fanompoany avy ary ny levita ho amin’ny raharahany, dia ny hidera ny Tompo sy hanampy ny mpisorona amin’ny fanompoam-pivavahana fanao isan’andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin’ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian’i Davida olon’Andriamanitra azy.


Ny amin’ny antoko-mpihira koa dia izao: ny terak’i Asafa dia nisy lehilahy 128.


Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.


i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.


Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.


Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema, dia nantsoina avy tamin’ny toeram-ponenany rehetra ny levita; nasaina ho tonga any Jerosalema ry zareo mba hanao ny fitokanana amim-pifaliana, ombàn’ny hira fiderana arahin’ny kipantsona sy valiha ary lokanga.


Manaova hobim-pifaliana ho an’Andriamanitra herintsika, ankalazao ny Andriamanitr’i Jakôba.


Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin’ny valiha.


Dia nentin-dralehilahy tao amin’ny kianja anatiny aho. Nisy efitra roa tao: ny iray terỳ anilan’ny varavarana avaratra ary mitodika mianatsimo, ary ny iray kosa terỳ anilan’ny varavarana atsimo ary mitodika mianavaratra.


Rehefa izany dia ho tonga ao Gibehà-Elôhima misy andia-miaramila filistinina ianao. Rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ny andiana mpaminany izay midina avy eny amin’ny Toeramasina, ka ialohavan’ny mpitendry lokanga sy valiha ny mpively amponga tapaka ary ny mpitsoka sodina. Efa tsindrian-daona haminany avokoa izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra