1Tantara 25:2 - DIEM PROTESTANTA2 Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia i Zakora, i Josefa, i Netania ary i Asarela, zanak’i Asafa, notarihin’i Asafa, izay naminany araka izay nitarihan’ny mpanjaka azy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 Amin’ny zanaka lahin’i Asafa: i Zakora, i Josefa, i Natanià ary i Asarelà, ireo no zanaka lahin’i Asafa, tarik’i Asafa, naminany araka ny didy avy amin’ny mpanjaka. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’i Asafa, nofehezin’i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ny mpanjaka azy. Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache2 Tamin’ny zanakalahin’i Asafa dia i Zakora, i Josefa, i Netania ary i Asarela, zanak’i Asafa, notarihin’i Asafa, izay naminany araka izay nitarihan’ny mpanjaka azy. Jereo ny toko |
I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy: