i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
1Tantara 6:4 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ. Ireto ny tarika ao anatin’ny fokon’i Levỳ, araka ny razana nipoirany: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Izao no fianakavian’ny levita araka ny rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ. Ireto ny tarika ao anatin’ny fokon’i Levỳ, araka ny razana nipoirany: Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì. Izao no fianakavian’i Levì isan-drainy avy: Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon’ny Levita araka ny rainy: Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon'ny Levita araka ny rainy: La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy i Mosy. Izao no fianakavian’ny levita* araka ny rainy. |
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahilỳ sy i Mosỳ. Ny zanakalahin’i Mahilỳ dia i Elehazara sy i Kisy.
Tamin’ny antsapaka ihany koa no nanomezana ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simehôna ary ny fokon’i Benjamîna, dia ireo tanàna efa voatanisa etsy aloha.
Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO.
Noho ny fiarovan’Andriamanitray, dia ireto avy ny olona azon’izy 11 lahy nentina ho atỳ aminay: i Serebià, olon-kendry anisan’ny tarik’i Mahely sady taranak’i Levỳ zanakalahin’i Jakôba, mbamin’ireo zanany sy mpiray tampo aminy, izany hoe lehilahy 18;
I Geresôna, avy amin’ny terak’i Pinehasa; i Daniela, avy amin’ny terak’i Itamara; i Hatosy, avy amin’ny terak’i Davida;
I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.
izany fanekempihavanana izany dia hahatonga ny tenany sy ny taranany ho mpisorona hatrany, satria niseho ho saro-piaro momba Ahy i Pinehasa ka nahazo famelan-keloka ho an’ny Israelita.
Dia nalefan’i Mosesy hiantafika izy rehetra ireo niaraka tamin’i Pinehasa mpisorona sady zanakalahin’i Elehazara; i Pinehasa no nitondra ny fitaovana masina ary koa ny trompetra mpanainga hiady.
Dia nitsodrano an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè i Josoa ka nanome an’i Hebrôna ho lovany.
Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.
Dia naniraka an’i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona ry zareo hiresaka amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase any Gilehada.
Maty koa i Elehazara zanakalahin’i Aharôna ka nalevina tao amin’ny havoana izay nomena an’i Pinehasa zanany lahy, tany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma.