Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 9:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 I Finea zanak’i Eleazara, no mpanapaka azy ireo taloha, ary nomban’i Iaveh izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 9:20
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny TOMPO nomba an’i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptianina tompony izy;


ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.


I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO.


Ary hoy Andriamanitra hoe: –Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.


I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no filoha faratampon’ny Levita; izy no mpiandraikitra ireo olona mikarakara ny fanompoana ao amin’ny Toeramasina.


Dia nalefan’i Mosesy hiantafika izy rehetra ireo niaraka tamin’i Pinehasa mpisorona sady zanakalahin’i Elehazara; i Pinehasa no nitondra ny fitaovana masina ary koa ny trompetra mpanainga hiady.


I Elehazara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan’andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy.


Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Gersônita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no hanara-maso azy amin’izany.


Izany no fanompoana nampiandraketina ny tariky ny Merarita tao amin’ny Tranolay fihaonana. I Itamara, zanakalahin’i Aharôna mpisorona, no hanara-maso azy amin’izany.»


Dia naniraka an’i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara mpisorona ry zareo hiresaka amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase any Gilehada.


Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony hoe: –Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin’i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra