1Tantara 9:19 - DIEM PROTESTANTA19 I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201119 I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara19 I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika19 I Seloma zanak’i Kôre zanak’i Abiasafa zanak’i Kôre, mbamin’ny Kôreita rahalahiny amin’ny fianakavian-drainy, no nanao ny raharahan’ny mpiandry ny varavaran’ny tabernakla; ny razan’izy ireo no efa niandry ny vavahadin’ny tobin’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy19 Ary Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraïta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible19 Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache19 I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO. Jereo ny toko |
Nampidiriko tao amin’ny efitra iray tao an-tranon’ny TOMPO izy, dia tao amin’ny efitra voatokana ho an’ny mpianatr’i Hanàna, izay lehilahy masina sady zanakalahin’i Jigdalià. Io efitra io dia teo akaikin’ilay efitranon’ireo lehibe ary teo ambonin’ny an’i Mahaseià, zanakalahin’i Salòma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin’ny tempoly.