Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 9:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ireo no mpiandry vavahady tamin’ny tobin’ny levîta; ary ny taranany, mandraka izao, no eo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka, dia ny vavahady atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka ao atsinanana izy. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ireo no mpiandry vavahady tamin’ny tobin’ny levîta; ary ny taranany, mandraka izao, no eo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka, dia ny vavahady atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 ary mbola ao am-bavahadin’ny mpanjaka, eo atsinanana izy mandrak’androany. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levì.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 ambaraka ankehitriny dia ao amin’ny vavahadin’ny mpanjaka ao atsinanana izy. Ireo no mpiandry varavarana tamin’ny tobin’ny taranak’i Levy.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 9:18
11 Rohy Ifampitohizana  

ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy


Dia novorin’i Jôiadà ny kapiteny sy ny Karianina ary ny miaramila mpiambina hafa mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahadin’ny mpiambina no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha mpanjaka azy i Jôasy,


Mba hahafaly ny mpanjakan’i Asiria, dia nofoanan’i Ahaza ny «alo-baravaran-tsabata», izay naorina tao an-tranon’ny TOMPO, sy ny «Fidiran’ny Mpanjaka» izay tany ivelany.


Ny mpiandry vavahady dia ry i Saloma sy i Hakoba ary i Talmôna sy i Ahimàna mbamin’ireo namany; ka i Saloma no filohany.


I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO.


Nampidiriko tao amin’ny efitra iray tao an-tranon’ny TOMPO izy, dia tao amin’ny efitra voatokana ho an’ny mpianatr’i Hanàna, izay lehilahy masina sady zanakalahin’i Jigdalià. Io efitra io dia teo akaikin’ilay efitranon’ireo lehibe ary teo ambonin’ny an’i Mahaseià, zanakalahin’i Salòma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin’ny tempoly.


Dia naverin-dralehilahy teo amin’ny vavahady ivelany tao atsinanan’ny Toeramasina aho; ary nihidy io vavahady io.


Tsy nisaraka tamin’i Petera sy i Jôhany ralehilahy, koa sady tolagaga ny vahoaka rehetra no nirohotra nanatona azy telo lahy teo amin’ny lala-mitafo atao hoe «lala-mitafon’i Salômôna».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra