Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 4:9 - DIEM PROTESTANTA

Nisy atao hoe Jahebetsy, izay nalaza kokoa noho ireo rahalahiny. Ny reniny no nanome ny anarany hoe Jahebetsy satria hoy izy: «Zoim-pahoriana aho, raha niteraka azy».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ny reniny no nanome ny anarany hoe Jabeza, satria hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisy atao hoe Jahebetsy, izay nalaza kokoa noho ireo rahalahiny. Ny reniny no nanome ny anarany hoe Jahebetsy satria hoy izy: «Zoim-pahoriana aho, raha niteraka azy».

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nomena haja noho ny rahalahiny i Jabesa ary nataon-dreniny hoe Jabesa ny anarany, fa hoy izy: «Nijaly aho no niteraka azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ny reniny no nanome ny anarany hoe Jabeza, satria hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

Jereo ny toko



1Tantara 4:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia hoy ny TOMPO Andriamanitra tamin-dravehivavy: –Hampitomboiko ny fanaintainanao rehefa bevohòka ianao, ary fahoriana no hiterahanao ny zanakao; ny vadinao no hifatraran’ny fanirianao, nefa izy no hifehy anao.


Koa tsy nitaredretra akory ilay tovolahy nanatanteraka izany zavatra izany, satria raiki-pitia tamin’ny zanakavavin’i Jakôba izy; ary izy no to teny indrindra tao amin’ny fianakaviany.


Teo am-pialana aina rehefa ho faty izy, dia nataony hoe Bèna-Ony na zanaky ny fahoriako ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa niantso azy hoe Benjamîna na zanaky ny tanan-kavanana.


Ary niantso an’ilay Andriamanitr’i Israely i Jahebetsy ka nanao hoe: «Enga anie hotahînao tokoa aho, ka hohalalahinao ny taniko; ary aoka ny tananao homba ahy, ka hataonao lavitra ahy ny loza mba tsy ho zoim-pahoriana aho!» Dia nohenoin’Andriamanitra izay nangatahiny.


I Kôtsa no ray niteraka an’i Hanoba sy i Tsôbebà; ary izy koa no razamben’ny tarik’i Aharihela, zanakalahin’i Haroma.


Niray tamin’ny vadiny indray i Efraîma, dia nanana anaka ravehivavy ka nitera-dahy; ary nataon-drainy hoe Berihà ny anaran’ny zaza, satria nitoetra tao an-trano hatrany ity reniny noho ny fahoriana nidona.


omeo ny rainao sy ny reninao izany fifaliana izany; eny, aoka hibita-karavoana ilay reny niteraka anao.


Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon’ny ainao.


Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin’Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan’andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain’i Paoly.


Avy eo dia hoy izy hoe: –Nesorina tamin’i Israely ny voninahitr’Andriamanitra, ka hataoko hoe Ikabôda no anaran’ny zaza! Io anarana io dia midika hoe «tsy misy voninahitra intsony» ka hahatsiahivana fa lasan-ko babo ny Vatamasin’Andriamanitra sady maty koa ny rafozan-dravehivavy sy ny vadiny.