Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 34:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Koa tsy nitaredretra akory ilay tovolahy nanatanteraka izany zavatra izany, satria raiki-pitia tamin’ny zanakavavin’i Jakôba izy; ary izy no to teny indrindra tao amin’ny fianakaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Tsy nitaredretra ilay zatovo hanatanteraka izany zavatra izany satria naniry loatra ny zanakavavin’i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’izay rehetra tao an-tranon’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Koa tsy nitaredretra akory ilay tovolahy nanatanteraka izany zavatra izany, satria raiki-pitia tamin’ny zanakavavin’i Jakôba izy; ary izy no to teny indrindra tao amin’ny fianakaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zanakavavin’i Jakôba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin’i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’izay rehetra tao an-tranon’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 34:19
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa mba hahazoany an’i Rahely, dia nanompo an’i Labàna fito taona i Jakôba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.


Sitrak’i Hamôra sy i Sekema zanany lahy ny soso-kevitra.


Koa nankeo amin’ny toerana teo am-bavahadin’ny tanàna i Hamôra sy i Sekema, ary nikabary tamin’ireo olona tao an-tanànany nanao hoe:


Dia nohanin’ireto ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy ireto ny ombivavy fito matavy izay nialoha azy.


Nahamàna no anaran’ny filohan-tafiky ny mpanjakan’i Siria. Lehilahy mendri-kaja sy to teny teo anatrehan’ny tompony izy satria ny Sirianina efa nampandresen’ny TOMPO tamin’ny alalany. Marary hoditra anefa izany lehilahy maherifo izany.


Nisy atao hoe Jahebetsy, izay nalaza kokoa noho ireo rahalahiny. Ny reniny no nanome ny anarany hoe Jahebetsy satria hoy izy: «Zoim-pahoriana aho, raha niteraka azy».


Ataovy eo ambonin’ny fonao aho toy ny tombokasenao manokana; ary tazony eo an-tsandrinao aho toy ny vato voasokitra ho anao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mifaditrovana toy ny toeran’ny maty ny fitiavana mirehidrehitra. Lelafo miredareda tokoa izy ary mahery vaika toy ny varatra.


«Noho izany, hoy ny Tompo, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»


Ianao tsy hatao intsony hoe «ilay tanàna nafoy» ary ny taninao tsy hatao intsony hoe «ilay tany lao»; fa ianao dia hantsoina hoe «ilay sitraky ny TOMPO», ary ny taninao hatao hoe «ilay vady ampakarina.» Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.


Nefa mbola nandefa olo-manan-kaja hafa maro kokoa sady malaza noho ny teo aloha i Balàka.


Nomen’ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an’Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin’ny faritany.


Koa maro tamin’ireo Jiosy no nino; ary, tamin’ireo Grika, dia tsy vitsy ny vehivavy ambony toerana sy ny vadiny no nino.


Hoy kosa no navalin’i Ahimelèka azy: –Iza amin’ny mpanomponao rehetra ireo no mba mahatoky indrindra tahaka an’i Davida vinanton’ny mpanjaka, mpiambina ny tenanao ary nohajaina fatratra tao an-dapa?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra