1Tantara 26:25 - DIEM PROTESTANTA Ny havan’i Sobaela, avy amin’i Elihezera (rahalahin’i Gersôma), dia ireto avy: i Rehabià zanakalahin’i Elihezera, i Jesahià zanakalahin’i Rehabià, i Jôrama zanakalahin’i Jesahià, i Zikrỳ zanakalahin’i Jôrama, ary i Selômôta zanakalahin’i Zikrỳ. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny rahalahiny avy tamin’i Eliezera dia i Rehabia, zanak’i Eliezera; i Jesaia, zanak’i Rehabia; i Jorama, zanak’i Jesaia; i Zikry, zanak’i Jorama ary i Selomota, zanak’i Zikry. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny havan’i Sobaela, avy amin’i Elihezera (rahalahin’i Gersôma), dia ireto avy: i Rehabià zanakalahin’i Elihezera, i Jesahià zanakalahin’i Rehabià, i Jôrama zanakalahin’i Jesahià, i Zikrỳ zanakalahin’i Jôrama, ary i Selômôta zanakalahin’i Zikrỳ. Baiboly Katolika Tamin’ireo rahalahiny avy amin’i Eliezera, izay nanan-janaka an’i Rahabià, izay nanan-janaka an’i Isaiasa, izay nanan-janaka an’i Jôrama, izay nanan-janaka an’i Zekri, izay nanan-janaka an’i Selemita, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny rahalahiny avy tamin’i Eliezera dia Rehabia, zanak’i Eliezera, sy Jesaia, zanak’i Rehabia, sy Jorama, zanak’i Jesaia, sy Zikry, zanak’i Jorama, ary Selomota, zanak’i Zikry. Malagasy Bible Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry. La Bible en Malgache Ny rahalahiny avy tamin’i Eliezera dia i Rehabia, zanak’i Eliezera; i Jesaia, zanak’i Rehabia; i Jorama, zanak’i Jesaia; i Zikry, zanak’i Jorama ary i Selomota, zanak’i Zikry. |
dia i Sobaela, zanakalahin’i Gersôma sy zafin’i Mosesy, no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy.
Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.
ary ilay zandriny kosa nantsoiny hoe Elihezera na «Andriamanitro mamonjy ahy», fa hoy izy hoe: «Ny Andriamanitry ny raiko no namonjy ahy, ka niaro ahy tamin’ny famelezan’ny Farao.»