Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 26:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ny rakitra masina, dia izay nohamasinin’i Davida mpanjaka sy ny lohan’ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny ny lehiben’ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Io Selômôta io sy ny havany no mpiandraikitra ny zavatra sarobidy voatokana ho an’Andriamanitra, dia ireo zavatra natokan’i Davida mpanjaka sy ireo loham-pianakaviany ary ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia izay nohamasinin’i Davida mpanjaka sy ny lohan’ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ny rakitra masina, dia izay nohamasinin’i Davida mpanjaka sy ny lohan’ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny ny lehiben’ny miaramila.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 26:26
13 Rohy Ifampitohizana  

Natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO ireo fanaka ireo, tahaka ny nanokanany ny volafotsy sy ny volamena azony tamin’ireo firenena hafa rehetra efa resiny,


Ireo fanaka ireo koa dia natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin’ny firenena hafa rehetra: dia ny Edômita sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekîta.


He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.


Ny havan’i Sobaela, avy amin’i Elihezera (rahalahin’i Gersôma), dia ireto avy: i Rehabià zanakalahin’i Elihezera, i Jesahià zanakalahin’i Rehabià, i Jôrama zanakalahin’i Jesahià, i Zikrỳ zanakalahin’i Jôrama, ary i Selômôta zanakalahin’i Zikrỳ.


Tamin’ny fitaovana azon’ireo tamin’ny ady mantsy no nisy nanokanany mba hoenti-miahy ny tranon’ny TOMPO.


Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.


Tamin’ny levita: dia i Semahià, zanakalahin’i Hasoba sy zafin’i Hazrikama ary zafiafin’i Hasabià izay isan’ny taranak’i Merarỳ;


Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.


Najoron’i Hezekià indray ny antokon’ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatra ny fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin’ireo kianjan’ny tranon’ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny Tompo.


Ny amin’ny mpiandry varavarana koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Saloma, i Atera, i Talmôna, i Hakoba, i Hatità, ary i Sôbay; ka nisy lehilahy 139.


sady nisahana ny tokony hotandremany momba an’Andriamaniny sy momba ny fidiovana. Toy izany koa ny mpihira sy ny mpiandry varavarana, izay nanaraka ny fandaharana nataon’i Davida sy i Salômôna zanany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra