–Efa ho faty araka ny lalan-kizoran’ny besinimaro aho; koa aoka ianao hahery sy hiseho ho tena lehilahy!
1Tantara 22:13 - DIEM PROTESTANTA Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po. Baiboly Katolika Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany dia hambinina hianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy ho an’ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. Malagasy Bible Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. La Bible en Malgache Ary amin’izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. |
–Efa ho faty araka ny lalan-kizoran’ny besinimaro aho; koa aoka ianao hahery sy hiseho ho tena lehilahy!
Tandremo izay andidian’ny TOMPO Andriamanitrao hanarahanao ny sori-dalany ary hitandrovanao ny lalànany sy ny didiny amam-pitsipiny sy ny sàtany araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; dia hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao sy hokasainao.
Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.»
Ary hoy koa i Davida tamin’i Salômôna zanany: –Mahereza sy matanjaha ka mahefà! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon’ny TOMPO.
Hataoko mijoro mandrakizay ny fanjakàny, raha maharitra manatanteraka ny didiko sy ny fitsipiko izy tahaka ny amin’izao anio izao.»
sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara.
Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!
I Hozià tamin’ny andro niainan’i Zakarià izay nampianatra azy hanaja an’Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin’ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.
«Mahereza ka matanjaha. Aza matahotra na mivadi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny miaramila rehetra izay entiny; fa misy hery lehibe kokoa miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.
Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina, ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.
Tao amin’ny tahirin-kiran’i Salômôna. Andriamanitra ô, omeo ny mpanjaka izany fahaizanao mitsara; omeo ity taranak’andriana izany fitandroanao ny rariny.
Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao,
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran’ny mpaminany tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.
Nesorin’Andriamanitra i Saoly, fa notendreny ho mpanjakan’izy ireo kosa i Davida, ilay nijoroany ho vavolombelona ka nilazany hoe: «Efa hitako i Davida, zanak’i Jisay; lehilahy araka izay niriko i Davida ka hanatontosa ny sitrapoko rehetra.»
Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina.
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.
Tsara ny ataonareo raha tanterahinareo ilay lalàna momba ny Fanjakàn’Andriamanitra, araka ny Soratra Masina manao hoe: «Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao».
Ary na iza na iza mikomy aminao ka mandà tsy hankatò ny baikonao, dia hatao maty. Eny, aoka ho sahy sy hahery ianao!